Ny Eglizy dia sady fikambanana hita maso no fikambanana ara-panahy ka miara-mamindra amin'ny taranak'olombelona ary miara-mizaka ny anjaran'izao tontolo izao. Ny Eglizy dia eo amin'izao tontolo izao ka mifaningotra aina aminy. Ny Eglizy dia miorina avy amin'ny aina ao amin'ny Trinite Masina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 novambra 2026

• Mahaiza miaina amim-pilaminana ary samia manao tsara ny asany. Io no hafatra nanentanan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny mpino rehetra, taorian'ny Fivoriambe izay notanterahin'izy ireo teto Antananarivo… • Nifarana omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, izay notanterahana tany amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra 1126 no niatrika izany… • Làlana iray itomboana ny aretina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...