Andriamanitra no loharanon'ny aina, sady fanomezana no antso no iraka ary fitahiana ny aina. Masina ny aina satria avy amin'Andriamanitra Mpamorona ; manana hasina miavaka ny olombelona satria navotan'i Kristy. Nasandratra ny maha-olona satria nantsoina ho zanak'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...