Heloka ny fanilihana ny zokiolona, hoy ny Papa François. Mizaka ny tsy eran'ny aina izy ireo noho ny fitiavan-tenan'ny fiaraha-monina ankehitriny. Katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, miaraka amin'ny P. Justolat Rafaralahimboa.

0 : 00

Nandritra ny iraka naha mpiandry ondry ahy tao Buenos Aires, hoy ny Papa François, dia efa nahatsapa izany olana mahazo ny zokiolona izany aho, ary tena nanohina ny foko tokoa: voailikilika tokoa ireo be antitra, tsy hoe amin’ny lafiny tsy fahampiana entina miahy azy ireo fotsiny ihany fa vokatry ny fitiavan-tena mihitsy ny an’ny sasany ary tsy faneken’ny saina fa manam-petra isika raha ny toe-batana no resahina. Eto ny Papa François dia sady manome fampianarana mampisaina antsika no mijoro ho vavolombelona amin’ny zava-misy hitany sy efa iainany satria izy koa dia anisan’ireo olo-dehibe ihany koa.

Mibahan-toerana moa arak’izany any amin’ireo "tontolo miaro mpanjifa" ny fanomezana  anjara toerana betsaka ny tanora satria izy ireo no mbola matanjaka sy manana hery entina miasa hampitombo harena sy hanjifa. Ireo olon-dehibe zokiolona sy antitra ireo anefa ny tompon’ny fahendrena ary fitaratr’izay fahendrena izay ho an’ny mponina any amin’ny fiaraha-monina misy antsika any. Mba ahoana ary no ataon’izy ireny no mampilamina sy mampandry ny sain’izy ireo amin’ny lafin-javatra toy izany. Mahavita an’izany anefa isika rehefa tsy manam-pitiavana sy ny fitiavan-tena no manjaka sy mibahana be loatra ao anatintsika ao. Nalain’ny Papa François nentiny nanohanana izao fanamarihana momba ny tsy fanajana sy tsy fanomezana toerana ny zokiolona sy ny be antitra izao moa ny voalaza ao amin’ny “Cité du Vatican 2013, p. 83” milaza hoe “tsy misy afa-tsy ny fitiavana irery ihany no mahavonjy antsika”.

Naka ohatra iray ny Papa François, raha namangy tamin’ny toerana fitaizana be antitra sy zokiolona iray izy dia nanontany vehivavy antitra iray hoe : manana zafikely sy zanaka ve ianao? Dia namaly io hoe be dia be. Mamangy anao ve izy ireo, hoy ny Ray masina dia eny hoy ilay vehivavy. Oviana izao izy ireo no namangy anao farany hoy ny Papa François,  tamin’ny Noely hoy ilay vehivavy, nefa volana Aogositra io famangiana nataon’ny Ray masina io. Diniho amin’izany hoy izy fa ao anatin’ny valo volana ve tsy mamangy mihitsy fa dia ankinina amin’ireo trano fiantohana ny be antitra fotsiny any izy ireo. Izay ilay hoe manilika azy ankolaka mihitsy. Ny zavatra toy izany no antsoina hoe fahotana mahafaty hoy ny Papa François.

Tohin'ny katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, audience 04 mars 2015

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 marsa 2025

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...