Alatsinainy 13 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ho avy ny Tompo, tsenao izy; Izy no Mpanjakan’ny fiadanana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 23-27

"Avy amin’Andriamanitra sa avy amin’ny olona ny Batemin’i Joany ?" hoy ny navalin’i Jesoa (Mt 21, 23-27). Ny fandàvana ny hitady ny marina no mahatonga ny Jody hilaza ho tsy mahafantatra ny valin’izany. Ary fantatr’i Jesoa mazava tsara koa ny tao ampon’izy ireo. Fandavana tsy te hijery ny asa soa ataon’Andrimanitra no mahatonga azy ireo tsy hilaza ny marina. Ka tsy te hiady hevitra lavareny ami’izy ireo i Jesoa ka naverina tamin’izy ireo ihany fanotaniana : "ho anareo avy amin’Andriamanitra sa avy amin’ny olona ny Batemin’i Joany ?"

I Jesoa dia manondro azy ireo ny lalan’ny fahamarinana, nefa izy ireo minia tsy te hijery izany fampianarana izany. Isan’andro isan’andro ihany koa Andriamanitra dia manondro antsika ny lalana tokony hombantsika, lalan’ny fahamarinana, lalan’ny tena fiaianana eo amin’ny fiainantsika, ao am-pontsika, fa isika no tsy te handray na tsy te hihaino ny fampianarany, satria ny marina matetika dia manembantsembana ny filana kely misy ao amintsika olombelona, ny tombon-tsoa kelintsika, ny sitrapo kelintsika manokana. Ireo no matontonga antsika tsy te hilaza fa tsy mahanfatra ny fampianaran’i Kristy. Ireo no mahatongantsika ho lasa mpihatsaravelatsihy kely tahaka ireo Farisianina.

Ao amin’izao fotoanan’ny Fiaviana izao àry, dia asaina isika mba hanokana fotoana misimisy kokoa mba hahafahantsika mihaino Azy tsara. Satria Andriamanitra irery ihany no afaka manondro ny tena lalana marina ho antsika. Hararaoty àry fa fotoana hanavaozantsika ny fahatokisana ny fitiavan’Andriamanitra Ray izao fotoanan’ny Fiaviana izao. Satria izay matoky ny fitiavan’ny Ray no afaka hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany eo amin’ny fiainany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...