Alarobia 29 janoary 2020 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 1-20 — Sambatra ireo mitana ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana.

0 : 00

I Jesoa Kristy irery ihany no hany mandresy ny herin'ilay Ratsy. Ny fiomanan'i Jesoa mialoha ny fampianarany ny maneho izany. Fanoharana ny amin'ny voa afafy sy ny tany hamafazana no votoatin'ny fampianarany. Tsy mizaha toerana hamafazana ny mpamafy. Tsy mialon-jafy, fa izay mandray ny voa nafafy no miziriziry, dia ny fon'olombelona izany. Ny Teny ihany no maharesy ilay Ratsy, ka manao izay ho afany ilay Ratsy tsy hampokatra ny Teny ao am-pontsika olombelona.

Endrika maro samihafa no entin'ilay Ratsy handombo ny fon'olombelona, tsy afahan'ny voa nafafy hitomba sy hamoa. Ao ireo vonoiny ny Teny voafafy ao am-pony, ireo tratry ny mena miraviravy. Ao ireo mandray ivelany ihany, fa ny fon'ny olona no hamafisin'i Satana tsy afahan'ny olona mandray ny sitrapon'Andriamanitra, ka tsy afaka ny hamokatra izy. Izay mandray ny Teny kosa dia mahazo fahasoavana hahalala ny zava-miafina amin'ny fanjakan'Andriamanitra ka tonga mamoa be ary "Voninahitra ho an'ny Ray raha mamoa be ianareo", hoy i Jesoa.

Raisina ny voa ary kolokoloina. Ivelomana ny Teny satria tiana hamokatra. Io no maha sarobidy ny fandalinam-pinoana ka afahana mibe ara-pinoana mba hanome vokatra tsaratsara kokoa hatrany. Amin'ny alalan'ny fandalinam-pinoana no afahantsika mikolo ny Teny sy ny sitrapon'Andriamanitra ao am-pontsika, ary ny fandalinam-pinoana no fitaovana iray entintsika handresena ilay Ratsy ka afahantsika mamoa be sy mifikatra marina tokoa amin'ny finoana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 marsa 2025

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...