Alakamisy 30 janoary 2020 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 21-25 — Fanilo ho an'ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny làlako.

0 : 00

Mitohy ny fampianaran'i Jesoa, ka izay rehetra mandray ny Teny, voa nafafy tao am-pony dia tsy mahazo manao ampihi-mamba fa tsy maintsy mamoa, izany hoe mizara ny fahasoavana ho an'ny hafa. Eto indray dia noharin'i Jesoa amin'ny jiro manazava ny mpianatra izay mandray ny Teny.

Nambaran'i Jesoa fa ny mpianany rehetra dia toy ny fanaovan-jiro manazava ny manodidina azy ary mizara hafanana. Entina hiveloman'ny tsirairay eo anivon'ny fiaraha-monina misy azy ny finoana; mitondra hazvana sy hafanana ao am-pon'ny olombelona. Fahasoavana mitovy no nomena ny olona hivelomany ny finoany fa ny fahamendrehana mivelona izany dia an'ny tsirairay ka tsy afaka hivelona izany amim-pihatsaram-belatsihy ny mpianatra izay nandray ny fahasoavana.

Izay famarana namaranao ihany no hamarana ho anao: toa midika izany fa ny ataontsika ihany no hitsarana antsika. Izay tena mijoro ho fahazavana dia mahazo mihoatra, fa ireo mpihatsara velatsihy, tsy misy takona izay tsy haseho, ary ny kely ananany aza esorina aminy. Koa ivelomy ny finoana ary ifampizarao. Iainako ny finoako hanabeazako ny finoan'ny hafa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 marsa 2025

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...