Alatsinainy 18 aprily 2022 — Alatsinainy amin'ny havaloanandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 28, 8-15

Mandritra izao herinandro havaloanandron'ny  Paka izao dia hodinihintsika matetika eto araka ny voasoratr'ireo evanjelistra efatra ny fitsanganan'i Kristy ho velona. Anio àry, dia araka io voasoratr'i Masindahy Matio io, izay mitantara ny zava-niseho tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, i Maria Madelenina sy ilay Maria anankiray no nihazakazaka vao maraina nankany amin'ny fasana ka nahita ny Anjelin'ny Tompo ary tsy nitahiry izany ho azy samirery fa lasa nampita izay zava-niseho hitany tamin'ny mpianatra. Efa nodinhintsika teto omaly ny hevitr'io fisian'i Maria Madelenina io tany amin'ny fasana, fa eto kosa dia i Jesoa indray no nanao dingana voalohany nanamarina ny zava-baovao izay mbola tsy ninoan'izy ireo. Voalaza eto mantsy fa sady natahotra izy ireo no faly toa akohokely notsipazam-potsimbary. I Kristy mihitsy no miseho amin'izy ireo ary mankahery azy sady maniraka azy sahady hitory ny Vaovao Mahafaly.

Izany tokoa no miandry antsika amin'izao havaloanandron'ny Paka sy ny manaraka izao : Tsy mamela anao hipetra-potsiny ny fitsanganan'i Kristy fa maniraka anao hitory, eny fa na dia misy mandrakariva aza ny mpanohitra sy ny fahavalo tahaka ny ataon'ireto lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona ireto. Ny tena Apôstôly dia tsy maintsy mamita ny iraka miantefa aminy, ny tena kristianina dia tsy maintsy mijoro ho vavolombelon'ny fitsanganan'i Kristy ho velona. Koa aza matahotra àry, fa ny batemy efa noraisinao no apinga entinao manatanteraka ny fitoriana sy ny fiainana ny Paka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...