Alakamisy 21 aprily 2022 — Alakamisy amin'ny havaloandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 35-48

Tsy navelan'ny fandresen-dahatra nataon'i Kristy tafatsangan-ko velona hahita maso fotsiny ireto mpianatra roalahy tany Emaosy fa lasa ihany koa nitantara sy nampita ny zavatra niseho. Izay tokoa ilay "iraka" niantefa tamin'izy ireo. Tsy misy olona nipetra-potsiny tamin'ny toerany ireo nahita ny fitsanganan'i Kristy ho velona fa avy hatrany dia lasa nitory tamin'ny namany, indrindra moa tamin'ireo iraika ambin'ny folo lahy. Na dia teo aza ny tsy finoana, ny tahotra nahazo ireto mpianatra dia voatery nampita ny vaovao tamin'ny manodidina, ary i Kristy koa tsy sasatra ny manaporofo amin'izy ireo fa tanteraka izay voalazan'ny Soratra Masina sy izay voalazany fony mbola teo amin'izy ireo izy. Na dia sarotra aza ny mamantatra dia nampitain'izy ireo fa ny fitsanganan'i Kristy dia tsy manjavozavo fa tena hita vatana mihitsy, porofon'izany ny ambaran'i Masindahy Lioka eto fa raha mbola niady hevitra izy ireo dia indro i Kristy niseho teo afovoany sady nanao izay fomba hinoan'izy ireo azy : "Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa izaho mihitsy ity". Sady mbola nampiany hoe : "Moa manan-kanina eto va ianareo ?" izay entiny ilazana fa tsy nofinofy na matoatoa ny tenany izay mijoro.

Izany zava-nitranga tamin'ny andron'i Kristy izany no mbola mitohy eo amin'ny fiainan'ny Fiangonana ankehitriny. Mbola misy mantsy ireo mbola tsy mahalala na mbola tsy mino mihitsy aza, ka ny Fiangonana mihitsy no isehoan'i Kristy tafatsangan-ko velona ary irahany hijoro ho vavolombelony sy hitory ny Vaovao Mahafaly eran'izao tontolo izao sy amin'ny olombelona rehetra. "Tout est fait, en un sens, dans le Christ. Mais tout reste à faire".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...