Alatsinainy 4 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay —Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 18-26

Miharihary eto ny vokatsoa azo avy amin'ny finoana sy ny fahatokisana an'i Kristy. Ohatra azo tsapain-tanana roa no asehon'i Masindahy Matio amintsika : Lehiben'ny sinagôga iray no manatona an'i Kristy sy nihanta taminy : "Maty vao izao... dia ho velona izy". Ny finoany sy ny fahatokisany no nanosika azy hanatona an'i Kristy, ary tsy nisalasala izy nilaza fa afaka mamelona ny zanany efa maty i Kristy. Vehivavy iray koa, nitsi-drà an-taonany maro, nanam-pinoana sy fahatokisana an'i Kristy ka sahy nilaza hoe : "Na dia ny akanjony... dia ho sitrana aho". Tsy hoe "mazia" na fanova-maso eto no ambaran'i Masindahy Matio amintsika fa ny vokatry ny herin'ny finoana sy ny fahatokisana an'i Kristy. Izay tokoa ilay hoe : "Tsy misy tsy ho hain'Andriamanitra hatao ho an'izay mino" (Lk. 1, 37). Tsy hoe ho an'i Masina Maria ihany ity teny nambaran'ny Anjely Gabriely ity, fa ho antsika tsirairary avy ihany koa, tahaka ireto olona roa volazan'ny Vaovao Mahafaly teo ireto.

Mila matoky an'i Kristy isika manoloana ny zava-manahirana antsika, ary koa mila manana finoana velona, raha toa ka mitady valiny mahafapo antsika. Koa alao hery, ary mazotoa manatona an'i Kristy, fa mamaly ny hetahetantsika mandrakariva izy, rehefa manam-pinoana isika, fa ny fioantsika ihany no hahavonjy antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...