Sabotsy 9 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 24-33

Tsy te hanan-dratsy i Kristy ka tsy sasatra manafatrafatra ny apôstôliny. Fampitahana no entiny mampita ny fampianarany : "Mpianatra sy Mpampianatra", "Mpanompo sy Tompo". Marina be ny fanoharana entin'i Kristy eto. Ny mpianatra tokoa tsy maintsy miankina amin'izay mpampianatra azy ary misy aza manahaka ny mpampianatra azy mihitsy, na fiteny, na fihetsika, indrindra moa ka rehefa tiany izay ny mpampianatra azy. Tena raisiny tsara ny fampianarany ary ataony raikitra ao an-dohany mihitsy. Dia tahaka izany no tian'i Kristy hotratrarina amin'ireto apôstôliny, tiany hanahaka azy izy ireo, izany hoe tsy hatahotra izay henjika sy mety ho fialonana ataon'ny mpanohitra. Ny tena zava-dehibe amin'ny fifandraisana amin'i Kristy dia ny manahaka azy, satria efa tsara mpiantoka ho manana ny vonona : "Aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo". Tsy ho an'ny apôstôly roa ambin'ny folo lahy ihany àry, izay fampianaran'i Kristy izay, fa ho antsika tsirairay ihany koa, indrindra isika izay manana andraikitra amin'ny fanatanterhana ny iraka. Koa tadidio àry, izao teny izao hoe : "Mahatoky Andriamanitra ka reseho ny tahotra", fa ny mpanenjika sy ny mpanohitra tsy maintsy misy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...