Sabotsy 6 aogositra 2022 — Fankalazana ny niovan'ny Tompo tarehy — Ity no Zanako malalako izay ankasitrahiko, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 28b-36

"Raha mbola nivavaka i Jesoa dia niova toetra ny tarehiny, sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany". Maneho ny maha Andriamanitra azy izy. Ary nandritra izany ihany koa indro nisy roa lahy niresaka taminy dia i Moizy sy i Elia izay niseho taminy tamim-boninahitra sy nilaza ny halasana izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema". Araka bokin’ny Eksaody (Eks 34, 29-30), i Moizy moa dia maneho ny lalana, fa i Elia kosa dia manambara ny fitambaran’ny mpaminany. Ny fahitana an’i Elia dia mampahatsiahy ny teny faminaniana momba ny fiavian’ny Mpamonjy. I Elia izay tsy maintsy mialoha ny Mpamonjy sy manamboatra ny lalana. Ary i Moizy no maneho ny mpanafaka ny vahoaka Jody, ary tamin’ny alalan’i Moizy no nanolorana tamin’ny olombelona ny lalan’Andriamanitra. Maneho sahady ny famonjena ho tanterahin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Jesoa Kristy izany. Ka noho izany dia mifandray indrindra amin’ny fanambarana na ny filazana ny fitsanganan’i Jesoa ho velona ny fiovana tarehy. Araka ny fampanantenan’Andriamanitra dia hahazo ny fiainana mandrakizay ny zanak’olombelona rehetra tamin’ny nahafoizany ny zanany nijaly sy maty ary nitsangan-ko velona. Famantarana ny fitsanganan-ko velona io fiovan’ny Tompo tarehy io. Ka ny fiovan’i Jesoa tarehy teo imason’ny apostoly telo lahy dia entiny hanomanana azy ireo sahady mba tsy ho tafintohina ny amin’ny fijaliany amam-pahafatesana tsy maintsy hihatra Aminy ho fanantaterahana ny famonjena ny olombelona. Ity fiovan’i Jesoa tarehy ity ihany koa dia fanehoana sahady ilay fiovana mahagaga ato amintsika tsirairay avy noho ny batemy noraisintsika, izay mahatonga antsika zanak’Andriamanitra sy mpiray lova amin’i kristy.

Mpiray lova aminy tokoa isika ka mila miombona Aminy sy mifandray Aminy isan’andro aminy alalan’ny vavaka, ny fandraisana komonio, izay hifandraisantsika Aminy sahady ety an-tany, rehefa mazoto manao izany dia ho tanteraka amintsika rehetra io fiovan-tarehy efa namirapiratra an’i Kristy io amin’ny andro hihaonantsika Aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...