Alatsinainy 10 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 29-32

Ry kristianina havana ; olona maro manara-dia an’i Jesoa satria nahita fahagagana matetika. Eo indrindra i Jesoa no mampianatra hoe tsy mety mino fa miandry fahagagana foana ; ka raha miandry sy mahita fahagagana vao hoe mino, dia tsy finoana intsony izay fa fahitana. Ny finoana manko dia fitokisana tanteraka tsy mila antoka fa ny fahatokisan’Andriamanitra manambara no antoka ; tsy mila porofo ara-batana fa ny fahamarinan’Andriamanitra dia ampy. Ny fahagagana dia vokatry ny finoana. Tsy lojika mihitsy na mandeha ho azy ny hoe rehefa mahita fahagagana dia mino. Fiekena amin’ny fo no dingana hanombohany.

Ohatra nalain’i Jesoa ho fambara ireo olobe tao amin’ny Tesatamenta Taloha ; na i Salomona mpanjaka lehibe na i Jonasa mpaminany dia samy nahery tamin’ny teniny sy ny asany ; tenin’i Salomona ombam-pahendrena fotsiny aza naharesy lahatra ilay mpanjaka tsy jody, tsy mainka ve fa i Jesoa Fahendren’Andriamanitra. Ny toritenin’i Jonasa indray andro fotsiny aza dia nampibebaka ny mponina tao Niniva, tsy mainka i Jesoa nitory ny Fanjakan’Andriamanitra, i Jseoa Tenin’Andriamanitra.

Tsy nanome famantarana i Jesoa fa nampahatsiahiviny ireo tandindona ireo. Satria raha mahazo ny dikan’ireo dia tonga eo amin’i Jesoa ny fanapahan-kevitra : mino Azy sy manaraka Azy. I Jesoa rahateo no fahatanterahan’ny Testamenta Taloha. Izy no Fahendren’Andriamanitra sy faratenin’Andriamanitra. Izy no lalana tokana mahavonjy. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...