Alahady 15 janoary 2023 — Alahady Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona A — Tonga Nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika, ary amin’ny alalany, dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 29-34

Manasa antsika handinika sy handalina ny misterin’i Jesoa Kristy araka ny fampahafantarana ataon’i Joany Batista isika anio. Marihina fa tsy afaka hifehy azy manontolo isika araka ny maha mistery azy satria tovozin-tsy ritra mandrakariva ny mistery.

  1. Zanak’ondrin’Andriamanitra i Jesoa Kristy, indro ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao (Jo 1, 29).
    Samy manana ny heviny avokoa ireo teny voalaza ireo : “Zanak’ondry”, “fahotan’izao tontolo izao”.

    Ndeha àry hofantarintsika ny teny hoe “izao tontolo izao”. Ho an’i Joany evanjelista, ny hevitry ny teny hoe “izao tontolo izao” dia ilay tontolo tsy mila an’Andriamanitra satria anjakan’ny fanirian-draolombelona, tontolo anjakan’ny fitiavan-tena isan-karazany izay miseho amin’ny endrika maro samihafa tokoa, toy ny fikatsahana ny vola aman-karena fotsiny na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Miafara amin’ny fanaovana hery setra, fifamonoana sy hafetsefetsena amin’ny karazany avy. Miteraka fahotana izany satria, fitiavan-tena no ampanjakaina ka toa tsy miraharaha velively ireo olona manodidina antsika ; manosihosy ny zo sy ny fahamendrehan’olona.

    Manoloana ny fahotan’izany tontolo izany indrindra i Jesoa no antsoina hoe “Zanak’ondrin’Andriamanitra”.
    Ny zanak’ondry no biby fiompy fanao sorona matetika, tao an-tempolin’i Jerosalema isaky ny fetin’ny Paka, mba hahazahoan’ny vahoaka ny famindram-pon’Andriamanitra sy ho fanavaozana ilay fanekem-pihavanana, ilay fifanekem-pisakaizana amin’Andriamanitra.

    Nolazain’i Izaia mpaminany ihany koa fa oharina amin’ilay zanak’ondry entina amin’ny toerana hamonona azy ny Mpanompon’Andriamanitra. Voaheloka ho faty na dia tsy manan-tsiny aza izy, ary nampitondraina ny heloka sy ny fijaliana ary ny fahotan’ny hafa (Iz. 52, 13-53, 12). Koa raha miteny an’i Jesoa ho ilay zanak’ondrin’Andriamanitra i Joany Batista eto dia te hilaza amintsika fa i Kristy no ilay tena Zanak’ondry ho an’ny sorona marina tokoa.
  2. Lehilahy avy aorian’i Joany Batista sy efa tonga eo alohany i Jesoa Kristy (Jo 1, 30-31)
    Manambara ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy, nisy talohan’ny zava-drehetra sy ny taona rehetra.

  3. Idinan’ny Fanahy Masina sy itoerany i Jesoa Kristy (Jo 1, 32-33)
    Mampahatsiahy ny maha Mpanjaka taranak’i Davida an’i Jesoa Kristy izany (Iz. 11, 2) ; mampahatsiahy fa Mesia mpisorona ; mampahatsiahy fa Mpanompon’Andriamanitra Izy.
    Ny fitoeran’ny Fanahy Masina maharitra eo amin’i Jesoa no ahafahany mizara izany amin’ny hafa mandritra ireo batemy hozarainy.

  4. I Jesoa no ilay Voafidy (Jo 1, 34)
    Izy no ilay sitrak’Andriamanitra ; Izy no ilay iraka notendreny hiara-monina amintsika. Fanehoana ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy ihany koa no tiana hosinganina manokana eto.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...