25 jona 2023 — Alahady Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 26-33)

Aroso amintsika ny foto-kevitra iainantsika amin’ity herinandro ity hoe: “Mahatoky Andriamanitra ka reseho ny tahotra”. Isan’ny geja mamatotra antsika taranak’olombelona ny tahotra. Ny hany tokony hatahorana anefa dia Izy Andriamanitra, fa ny tahotra Azy no voaloham-pahendrena fa ny tena fitiavana lavorary kosa dia tsy misy tahotra intsony. Koa mila mandresy io tahotra io isika. Aoka tsy ny tahotra no hanaovan-javatra fa aoka asesiky ny fitiavana. Hoy koa i Jesoa eto hoe: “Tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra”. Matetika tokoa ny zavatra ratsy no afenina, ka asakasak’izay manafina fa tsy maintsy hiseho izany na ho ela na ho haingana. Hamarinin’ny fitenintsika izany hoe: “Kobokoboin’ny marina ka milaza tsy anontaniana”. Koa tsy mety ny manafina. Fa izao koa: efa nibaribary ao amin’Izy Kristy izay niafina rehetra tao amin’ny Testamenta Taloha, satria Fahazavana Izy. Araka izany, aza mihanina fotsiny intsony amin’ny voalazan’ny Testamenta Taloha isika raha tsy tonga hatrany amin’ny fanazavan’ny Testamenta Vaovao, izao koa anefa ny lalana mankany amin’ny Testamenta Vaovao dia ny Taloha. Mifampiankina ireo ka tsy azo sarahina.

Maneho ny fomba fitoriana ihany koa i Jesoa eto: “Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano”. Voalohany amin’izany dia iraka ny asa fitoriana mba hahafahana manambara azy amin’ny mazava, mitory azy ambony tafon-trano. Fa eo koa ny hoe: tsy asan’ny maizina ny fitoriana fa an’ny mazava ka izany no anambaràna azy amin’ny mazava. Ary ambony tafon-trano fa tsy ao anatiny. Izany hoe: miala ka mivoaka any ivelany, ary ilaina aza ny miakatra ambony mba ho hitan’ny olona sy hiampita ny hafatra, araka ny voalazan’i Izaia Mpaminany (Iz 40, 9). Tsy natao ho an’ny pretra na relijiozy na ireo olom-boatokana ihany izany fa ho antsika rehetra vita Batemy. Iray ihany ny iraka fa ny endrika isehoany sy andraisana anjara no samy hafa, ka samy mandray izay manandrify azy ny tsirairay, araka ny fiantsoana azy avy.

Izao koa, aoka tsy hibahana amin’ny fiainantsika ny tahotra ny afobe, fa aoka hatao vaindohan-draharaha ny fikatsahana ny lanitra; izany hoe atao am-pitiavana izay atao rehetra. Fa lafo vidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra isika amin’ny maha zava-boaary nataony ka nisasarany antsika, indrindra moa amin’ny maha zanany antsika noho ny Batemy noraisintsika. Tsy tiany ho very isika ka nanehoany ny fara-fitiavany tamin’ny nanomezany ny Zanany tokana hamonjy antsika. Isika no manary tena rehefa tsy mandray izany fitiavany izany. Ka enga anie isika tsy ho tratran’ny hoe: “Izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra”.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...