25 septambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 16-18)

Miteny amin’ny vahoaka i Jesoa eto rehefa avy nivaofy ny hevitry ny fanoharana amin’ny mpamafy. Apetrany tsara ao am-pon’izy ireo ny fandraisana ny Tenin’Andriamanitra mba ho voatandrina tsara sy hampamokarina amim-paharetana. Izany no nilazan’i Jesoa hoe: “Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy fa apetrany ambony mba hahitan’izay rehetra miditra ny mazava”. Izany hoe rehefa mandray ny Tenin’Andriamanitra, mandray ny fahazavana isika dia tsy natao ho kobonina samy irery, izay ilay manarona azy na mametraka azy ao ambany farafara, fa natao hampiasaina sy hampitaina amin’ny manodidina antsika.

Raisina ny Tenin’Andriamanitra dia ampiasaina mba hanazava ny tena aloha voalohany indrindra, hanazava ny lalan-kombana eo amin’ny fiainana: mba tsy ho diso raha misafidy, mba tsy ho voatariky ny fironan-dratsy izay mety ataon’ny daholobe mahavery. Raisina ny Tenin’Andriamanitra dia ampitaina hanazava ny hafa hahalany ny marina mba tsy hahavery azy amin’ny fiheveran-diso apetrak’ilay ratsy eo amin’ny fiainana. Ary arakaraky ny hampitana azy amin’ny hafa no vao mainka mampitombo ny fiainanao azy ao aminao. Finoana zaraina lasa finoana mitombo, tahaka ny nataon’i Victoire Rasoamanarivo.

Izay no hilazan’i Jesoa hoe: “Izay manana no homena fa izay tsy manana dia halaina aminy hatramin’izay ananany aza”. Ka ny hahalalana fa manana ny olona iray dia afaka mizara izy izay, afaka mampita ny ananany. Toy izany ihany koa no tokony hataontsika. Tsy fantatra ary tsy misy dikany ny raki-tsoa sarobidy napetrak’Andriamanitra ao amintsika raha tsy zaraina sy ampitaina amin’ny hafa: dia ny Tenin’Andriamanitra sy ny finoana. Ny hanehoana izany haingana indrindra dia ny fijoroana ho ohatra tsara eo amin’ny tany aman-monina misy anao: mihaino tsara ny Tenin’Andriamanitra ianao raha mahay mihaino tsy milaza lainga; ary mampita tsara ny finoana ianao raha izay mahasoa ny fanahy amam-batana ihany no ataonao. Koa raiso àry ny Tenin’Andriamanitra ary ampitao hitera-bokatsoa amin’ny hafa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...