6 desambra 2023 — Alarobia, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela; vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 15, 29-37)

Henontsika teo ny fitiavana tsy mahalala sasatra nataon’i Jesoa. Rahefa nahita ireto vahoaka tonga nanatona Azy Izy, dia tapitra teo ny fialana sasatra, tapitra teo ny fitokanana mba hakana aina. Endrika ny tena fitiavana izany, hanadinoana ny tena, ny manjo ny tena fa hamonjena kosa ny hafa. “Tsy misy manam-pitiavana lehibe noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany”. (Jo 15, 13). Misasatra ho antsika Andriamanitra raha tapa-kevitra hanatona sy tsy hisaraka aminy isika.

Mba raiso sary an-tsaina koa ny nodiavin’ireto vahoaka tonga manatona an’i Jesoa: lalan-tsarotra no nodiavina satria tendrombohitra no henihana, mbola mitondra marary koa etsy an-daniny, mitondra moana, jamba, mandringa, kilemaina… izany hoe nikiry fatratra satria natoky an’i Jesoa. Tsy herin’ny tena ny fanatonana an’Andriamanitra fa fahasoavana mamomba an’izay mikaroka Azy. Tsy mora ny manara-dia an’i Kristy, fa rahefa matoky sy manaiky ho tantanany dia haharitra hatramin’ny farany. Teo am-pahitana ny fijalian’ny vahoaka manatona azy sy ny fikirizany i Jesoa dia velom-pangorahana, nalahelo ka nanome izay notadiaviny ary nanome mihoatra aza, satria tsy fahasitranana fotsiny no nataony fa nomeny sakafo hohanina koa izy ireo. Sakafo izay avy amintsika, tao anatin’ny vahoaka ihany, avy amin’ny mpianatra, fa nampitomboiny mba ho ampy ho an’ny rehetra.

Miantso antsika hakeo aminy, hanatona azy mandrakariva Andriamanitra, hitondra ny maharary antsika mba ho sitraniny, na ara-nofo izany na ara-panahy na ara-tsaina; hitondra ny vesatra manjo antsika, vesatry ny adim-piainana, vesatry ny disadisa sy ady lahy isan-karazany, vesatry ny tsy fahampiana, tsy fahombiazana: manatona Azy, fa hanamaivana antsika Izy. Tsarovy koa fa miampita na tanteraka amin’ny alalan’ireo mpianatra, ireo Apôstôly, amin’ny alalan’ny Fiangonana ny fahasoavan’Andriamanitra. Izy ireo indrindra no mpanompo nanankinan’Andriamanitra ny fizarana sy ny fanehoana ny fitiavany. Miombona mandrakariva amin’ny Fiangonana fa mpizara ny misteriny masina izy.

Isika tsirairay koa dia fitaovana entin’Andriamanitra mamonjy ireo mijaly. Tanana manolotra izay omen’Andriamanitra an’ireo miantso vonjy aminy. Fanomezan’Andriamanitra ho an’ny hafa isika. Koa meteza ho mpanohy ny asa fitiava-namana nataon’i Kristy eo amin’ireo manodidina antsika.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...