Zoma 27 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 7, 2. 10. 14. 25-30 — Izaho no fanangananany fiainana, hoy ny Tompo ; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.

0 : 00

Mananontanona ny fijalian'i Jesoa, herinandro vitsy rahateo sisa dia herinandro masina, handinihana ny misterin'ny fijaliana sy ny nahafatesana ary ny nitsanganan'i Jesoa, fototry ny finoantsika. Mampiady hevitra hatrany ny momba an'i Jesoa sy ny niaviany ary indrindra ny maha Andriamanitra azy. Nitoky tamin'ny hoe Mesia, mistery tsy fanta-pihaviana ny Jody ka tsy nahalala an'i Jesoa Nazareana ho Kristy Mpamonjy izy ireo. Io ilay hevitry ny Ntaolo Malagasy razantsika hoe ny marina itompoana mody heloka sy ny hoe na soloina hofany aza ny tanan'ondry dia tsy manaiky ny adala. Mifikitra loatra amin'izay voasoratra, mitana loatra ny finoan-drazana.

Manambara mazava àry eto i Jesoa, fa Izy no iraky ny Ray, tao an-tempoly mihitsy no nilazany izany. Tempoly, trano ihaonana amin'Andriamanitra. Teto izany no tokony ho fotoan-dehibe indrindra  ho ninoan'ny Jody an'i Jesoa. Teto no tokony nanokafan'ny tsirairay ny fony sy ny sainy handray an'i Jesoa, kinanjo, fisamborana no nitranga. Aoka tsy handiso fanantenana an'Andriamanitra isika, aoka tsy hamadika ny fitokisan'Andriamanitra isika. Miandry, manantena antsika Izy, indrindra amin'izao Karemy izao, andao hanatona azy tokoa, fa izy manatona azy tsy mba ho menatra, ary izay mandray sy mino azy tsy hangahiahy. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...