2 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 23-27)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niondrana tamin’ny sambo kely ka narahin’ny mpianany.
Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina,
ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory.
Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe:

“Tompoko, vonjeo izahay, fa maty.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?”

Dia niarina Izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina,
ka tonga tony dia tony ny andro.
Ary gaga ny olona, ka nanao hoe:

“Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...