3 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-12)

Nifidy mpiara-miasa hatrany i Jesoa. Tsy nijanona tamin’ireo Apôstôly fa nifidy mpianatra roa amby fitopolo hafa koa Izy. Fa na vitany samirery aza ny famonjena dia tsy nizotra tamin’izay Izy fa nifidy olona maro hahatontosa izany. Tsy nionona tamin’izy roa ambin’ny folo lahy fa mbola niantso betsaka kokoa. Ary hatramin’izao Izy tsy mitsahatra miantso mpiara-miasa aminy, irahiny, hirotsaka ao amin’ny sahany. Marihina fa tsy navelany handeha irery fa nirahiny tsiroaroa mba hifampatoky sy hifanohatohana ary hifanohintohina ka raha lavo ny iray dia misy mpanarina, raha diso mandeha mafy ny iray mba hisy hisintona, raha mandeha miadana loatra ny iray hisy hanosika, raha mitroatra ny iray hisy hampitony… amin’izay mba hisy fiaraha-monina fa tsy hanirery, tsy hiolonolona fa hahay hifandray, tsy natao hiady fa hifameno, tsy natao hifanaratsy fa hifanasoa satria samy miatrika iraka iray sy miombona amin’ny adidy iray ihany.

Fanamapin’izany, irahin’i Jesoa mba hialoha Azy no adidy voalohany ho an’ireto mpianatra ireto, hitondra Azy eo amin’ny olona ka tsy voalohan-daharana ny tena fa Izy naniraka, tsy hangoron-karena fa hitory Vaovao Mahafaly, tsy hanao ramatahora fa haneho Azy Tompo satria samy mpialoha lalana. Diniho tsara fa ireny mpialoha lalana manam-pahefana ireny tsy mbola ilay manam-pahefana tsy akory, tsy ireny no tena izy fa ilay ao aoriana. Misava lalana sy miaro ny manam-pahefana no anjarany. Mitovy amin’izany koa isika voairaka rehetra. Koa aza angonina ho eo amintsika ny olona fa ento eo amin’Ilay naniraka dia Izy Jesoa Andriamanitra, raha tsy izany diso lalana isika. Mazava ny tanjon’ny iraka ataontsika dia ny hijinja ny vokatra. Matetika mantsy tsy mijinja ny tompony fa olon-kafa mpikarama ka mijinja no atao fa tsy hanosihosy ny vokatra, na efa midaboka io na mbola mitsangana. Aoka ho antsy maranitra ihany koa fa tsy ho dombo mba ho vita tsara ny asa.

“Mandehana” no baiko nomen’i Jesoa fa tsy hipetrapetraka na makamaka aina fotsiny, tsy miandry mahazo toy ny fasana fa mila mandeha. Ankehitriny efa manara-penitra izay mijinja amin’ny “machine” ka mipetraka fa na izany aza mandeha miroso hatrany ny “machine” fa raha tena mijinja amin’ny tanana dia tsy mipetraka mihitsy. Tsy maintsy miondrika vao afaka mijinja, aoka tsy hanalava lamosina. Izany hoe ilaina fanetren-tena izany ka isika iraka aoka hanana izany hatsaram-panahy izany.

Hitondra fiadanana ny iraka ampanaovina antsika fa tsy fampitahorana na loza na fampahoriana ka aoka tsy levilevy no betsaka fa hampatsiahy fa efa “akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra”, araka ny lazain’i Jesoa tamintsika teo. Mahereza isika rehetra na ny iraka na ireo iantefan’izany iraka izany. Taon-jezika an-kady mantsy io iraka io ka aina no fetra. Ka haharitra amin’izany anie isika rehetra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 2 desambra 2024

  • Nosantarina tao amin'ny Distrikan'Ankilikoaka ny fidinana ifotony amin'ny fampiofanana ny katesista, ao amin'ny Diôsezin'i Toliara...
  • Asandrato ny lohanareo ary manana fo velona sy mazava, io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, talohan'ny vavaka Angelus ny 1 desambra 2024...
  • Niangavy ireo mpanao pôlitika Libanais rehetra ny Papa François, mba hifidianan'izy ireo Filohan'ny Repoblika faran'izay haingana indrindra...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...