12 nôvambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 7-10)

ameborder="0" allow="autoplay; clipboard-write; encrypted-media; fullscreen; picture-in-picture" loading="lazy" allowfullscreen="allowfullscreen">

Andeha hiverenantsika ny fangatahan’ny mpianatra mba hampitomboan’i Jesoa ny finoan’izy ireo, nefa toa tsy novaliany akory. Ao amin’i Matio aza dia i Jesoa no manome tsiny ny mpianatra ho tsy ampy finoana. Tsaroantsika ny teny nolazainy tamin’ny mpianatra raha tsy naharoaka ny demony izy ireo (Mt 17 ,16). Io karazany io tsy azo roahina raha tsy amin’ny alalan’ny fivavahana sy ny fifadin-kanina. Araka izany, tsy ny hampitomboana ny finoana loatra no himasoana satria kely tahaka ny voatsinampy dia ampy hanaovana fahagagana raha hafoy ka hatevina mba hitsimoka ho tonga hazo.

Ampy hanovana izay mety ho sakana tsy ahafahana mitondra voa ny finoana mba ahafahana manongotra izay efa lalim-paka ka hanary azy any anaty ranomasina, raha hita fa izay no mahasoa. Io vavaka nataon’ny Apostoly io manko dia mitohy amin’ny Fiangonan’i Jesoa hamela heloka hatramin’ny impitopolo fito. Tsy ny hampitombo ny finoana no tokony himasoana voalohany fa ny hampitsimoka hahafoy izay manontolo hananana na dia kely aza satria tsy misy voly hitsimoka raha tsy hasitrika manontolo any anaty tany ka hitahiry ny finoana efa noraisina, na ny marimarina kokoa, hamelombelona mandrakariva ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra no antony tamin’ny fandraisana ny Fanahy mahery sy be fitiavana ary manome hery hijoroany ho vavolombelona amin’ny fanaovana ny fahamarinana satria ny marina no ho velona amin’ny fanahy. Mila tsaroantsika mandrakariva ny tenin’i Masindahy Jakoba manao hoe; tsy mahavonjy ny finoana tsy arahin’ asa. Tsy mamela antsika hipetrapetra-poana ny finoana marina fa manosika antsika hiasa mba tsy ho menatra ny hijoro ho vavolombelon’i Kristy, tsy hitaraina, tsy hitaky karama akory aza satria mpanompo tsy mendrika, ny tokony hatao ihany no nataonay.

Ireo mpandalina ny Baiboly dia maro ny milaza fa toy hoe tsy “Mahasoa” no handikana an’io fa hoe tsy mahazo tombony, tsy mandray karama. Izay mandray ny Evanjely manko ka manaiky ny ho tonga mpanompo, dia tsy hihevitra ho tompo mandidy hitsara hamela na tsy hamela heloka. Izay fihetsika ho mpanompo izay no hahafahana mijery ny hafa araka ny mason’i Kristy ka ahitana azy ireo ho toy ny mpiray tampo, tsy afaka ny tsy ho tiavina, tsy afaka ny tsy avela heloka, mpanompo miasa tany sy miandry ondry, ao no lazain’i Piera fa hoe izay miasa ny tany izany hoe (Mpamafy ny voa, mpamaky lay ny mpitory teny ) sy ny mpiandry ondry (mpikarakara ny finoana efa mitsiry) dia tsy afaka ny hanao izany amin’ny fikatsahana ny tombotsoan’ny tena sy ny fitiavam-bola fa kokoa asesiky ny fitiavan’i Kristy ilay maty ho antsika olombelona rehetra. Mahazo maimaim-poana ka manome maimaim-poana (Mt 10, 8 ). Ny mitory maimaim-poana ny Evanjely no fahasambarana hoy I Masindahy Paoly (1 Kor 9, 18). Izay te ho mpianatr’i Kristy dia miaiky fa ao amin’ny fanompoana no mampisy ny finoana, ao no hanahafany ilay tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo. (Lk 22, 2)

Tsy Evanjely araka izay tiantsika holazaina anefa fa zavatra tsara napetraka ka tehirizina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Tsy isika fa ny Fanahy Masina no mitahiry, fampianarana hifanaraka amin’ny finoana marina ka izay manaiky hotarihany no afaka mahatsapa fa tsy tompony, mpanompo manao izay tokony ho natao ihany raha mahavita izay tokony natao aza. Ny finoana no ahafahantsika mahita sy mino fa ny fahasambarantsika no sitrapon’Andriamanitra. Ka ny fanekena ny didiny no lalana mitondra amin’ny fahasambarantsika ihany. Izay manaraka ny didiny, arak’izany dia hisaotra azy fa tsy sanatria mbola hangataka valiny koa.

Raha misy olona iray ho any amin’ny dokotera fa marisarisa, mangataka toro-hevitra dia mahazo ary manaraka izany ka rehefa sitrana soamantsara dia mihevitra hiverina ao amin’ny dokotera hangataka valisoa. Raha hiverina any hanolotra fisaorana dia mba azo hekena, fisaorana no afaka atolotr’izay mpanompo manaiky ny baikon‘ny tompony satria nampisy heviny ny fiainany ny fanatanterahan’izany baiko izany.

Entanina isika mba ho velom-pisaorana mandrakariva amin’ny soa ataon’Andriamanitra amintsika, indrindra amin’ny Fanahy Masina mba ahafahana manao soa amin’ny anarany sy ahafoy tena ho an‘ny mpiara-monina, hijoro tsy amin-tahotra ho vavolombelon’i Kristy. Raha amin’ny anaran’Andriamanitra no hanaovantsika soa dia ho voninahiny marina tokoa ny fiainantsika manontolo ary ho fiombonana hafaliana aminy tanteraka.

Ho hafaliana sy fahasambarana ho antsika tokoa anie ny fahatontosan’ny asam-panompoana angatahan‘ny finoana amintsika. Raha mamelona ny vady aman-janany ny lehilahy iray; tsy misy ho taitra amin’izany akory, andraikiny sy adidiny izany, ny mpanompo iray koa araka izay lazain‘i Jesoa. Raha manao ny andraikiny dia izay tokony hataony ilàna azy ihany izany. Mitodika amin’izay mitarika ary, io andraikitra ataontsika io no tokony ataontsika mihitsy ihany, aza mihevitra izany ho mavesatra na sarotra fa io mihitsy ilay asa atao, atao ohatran’ny mpanao trano ka trano iray, rehefa vita ny asa dia trano iray no aloa vola; ara-dalàna sy ara drariny izany, tsy niampy sy nitombo fa ny nandrasana taminy ihany no ataony. Aoka hazoto amin’ ny asa tandrify antsika ary, izay anjara asa tandrify anao ihany io, raha tsy tontosa izany no henatra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 9 desambra 2024

  • Manentana antsika rehetra hivavaka ho an'ny vahiny mpitondra fanantenana, ny Papa François, amin'ity volana ity...
  • Feno 19 taona amin'ity taona ity ny fivahinianana masina fanao ao amin'ny tanànan'Andovoranto, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Seho mahatalanjona sy mampihetsi-po ny eny izay nataon'i Masina Maria, ka nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo, hoy ny Papa François omaly, tamin'ny fampianarana nataony mialoha ny vavaka Angelus...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...