16 nôvambra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 1-8)

Tsara tsipihana fa ity Evanjely androany ity dia tafiditra ao anatin’ny firesahan’i Jesoa ny hiverenany amin’ny andro fitsarana; tsy resaka vavaka ihany fa resaka finoana indrindra indrindra. Raha ianao no teo amin’ny toeran’ity vehivavy mpitondra tena ity, mety tsy ho sahy nanandrana nanatona ilay mpitsara akory ianao, satria tsy azo heverin’ny saina ny haneken’ity mpitsara izay voalaza, fa sady tsy matahotra an’Andriamanitra no tsy mena-maso olona ity.

Ny hoe vehivavy mpitondra tena dia manambara fahalemena, tsy mba misy ianteherana, tsy misy mpiaro, marefo ara-pivelomana. Ny hoe mpitsara indray dia manambara fahefana, tompon’ny teny farany, atahorana, tsy refesi-mandidy, indrindra moa fa hoe tsy matahotra an’Andriamanitra. Tsy misy hirika kely akory tokony hiantran’ity mpitsara ity an’ity mpitondra tena ity. Raha amin’ny maha olombelona izany dia tsy misy hevitra. Mahagaga anefa fa azon’ilay vehivavy izay nihitsahany. Manoloana izany koa, raha mpitsara tsy marina azo tapa-kevitra ny hanome fahafaham-po manoloana ny lemozy, ka Andriamanitra indray ve no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina? Ny dikan’izany dia hoe tsy azo heverin’ny saina velively hoe tsy hamaly vavaka Andriamanitra. Tena mangataka tokoa ve? Tena mivavaka ve isika?

Alaivo sary an-tsaina ny valinteny mety hahazo ity vehivavy ity, alaivo sary an-tsaina ny avonavona sy ny teny maharary mahazo azy. Rehefa tonga ny fotoana hiverenan’ny zanak’olona, moa mbola hahita finoana ety an-tany va izy? Ny vavaka dia sady hikoloana ny finoana no hikatsahana faharetana, tsy resaka tisinday io na ny tsy izany fa fifandraisana lalina amin’Andriamanitra. Ny finoana dia resaka fahatokisana sy fifikirana amin’Andriamanitra, famantarana ny sitrapony sy ny fomba hitantanany antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...