Alakamisy 23 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 31-36 — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak'olombelona.

0 : 00

Tsy hoe : "misora-tena toa voatango" akory i Jesoa eto milaza ny tenany : ho "ambonin’ny olona rehetra sy manambara ny tenin’Andriamanitra" fa manambara ankarihary ny nanirahan’ny Ray Azy. Izy tokoa mantsy no Mpanalalana ny mistery momba an’Andriamanitra sy ny fiainana ao Aminy mba ahazoan’ny olona rehetra miditra ao amin’ny tontolon’Andriamanitra.

Tsy misaraka amin’ny finoana io fiainana mandrakizay ao amin’Andriamanitra io, dia ny finoana an’ilay NIRAHINY, hany irery afaka mizara sy mitondra ny olona rehetra any amin’ny fiainana mandrakizay sy mandositra ny hatezeran’Andriamanitra na ny fanamelohana mandrakizay.

Ezaka mihavao sy mitombo hatrany ny finoana, ary toe-piainana miombona tanteraka amin’i Kristy, ka tsy maintsy velomina sy iainana raha tena mikatsaka ny fiainana ao amin’Andriamanitra isika. Fotoana indrindra izao hanavaozana ny fiainana ara-panahy. Koa angataho Andriamanitra hanome antsika hatrany ny Fanahiny hitondra antsika amin’ny tena fiainana marina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...