28 febroary 2025 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 1-12)

Asain’i Jesoa hanome hasina ny fanambadiana isika kristianina. Fanambadiana iainana ny fahasambaran’ny roa tonta sy ny fiantsoan’Andriamanitra azy. Manana adidy noho izany ny mpivady hiara-hisalahy amin’ny fikolokoloana ny fiainam-panambadiany. Mila toe-tsaina volena sy iainana anefa ny fiainana an’io sakramenta io, araka ny lazain’ny Evanjely, koa ny toe-tsaina voalohany amin’izany ny fahatsapana fa samy hafa ny lehilahy sy ny vehivavy ka mila ianarana ny fampirindrana an’izany fahasamihafana izany mba hanome hakantoana.

Toe-tsaina faharoa ny fikatsahana fahaleovan-tenan’ny mpivady fa tsy hiankin-doha lava amin’ny ray aman-dreny. Fahaleovan-tena tsy midika hoe tsy miraharaha ny loharano nipoirana na koa tsy mila ny traikefam-panambadiana ananan’izy ireo. Mahaleo tena midika hoe, mila manana toerana sy fotoana manokana ny mpivady hamaha sy handray fanapahan-kevitra ho fanatsarany ny tokantranony.

Toe-tsaina fahatelo ny fikatsahan’ny mpivady fiombonana amin’ny lafiny rehetra, izany hoe ho nofo iray ihany izy roaroa. Toe-tsaina fahatelo ny fahatsapana fa Andriamanitra no nampikambana fa tsy fampiadiana vintana na koa fahaizana mifantina manokana, ka noho izany mila mitodika mandrakariva amin’ilay Andriamanitra nampikambana no andrasana amin’ny mpivady roa tonta, fa izany no hampaharitra ny tokantranony.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...