Alatsinainy 27 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 22-29 — Nahita Ahy ianao ka mino, fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

0 : 00

Nitady an’i Jesoa ny vahoaka ny ampitson’ny fampitomboana ny mofo. Ny antony hitadiavany Azy dia satria nihinana ny mofo izy ireo ka voky fa tsy nohon’ny fahagagana izay nataony loatra.

Avahan’i Jesoa àry eto ny hanina izay mety ho levona sy ny hanina maharitra mandrakizay. Isika olombelona tokoa mantsy matetika dia revo amin’ny asa izay hahazoantsika ny sakafo mety ho levona. Ataontsika ambony noho ny fiombonam-bavaka ny asa aman-draharaha. I Jesoa anefa tsy manameloka mihitsy ny hiasantsika ho an’ny nofo fa tiany koa isika hiasa mba hahazo ilay sakafo maharitra ho an’ny fiainana mandrakizay. Inona ary izay asa izay ? Ny asa dia ny mba hinoantsika an’Andriamanitra Ray, izay manome ny fiainana mandrakizay sy ny mba hinoantsika an’Ilay nirahiny dia i Jesoa Zanany.

Ny finoana an’i Jesoa àry no hahafahantsika manatanteraka ny sitrapon’Ilay Andriamanitra Ray. Ny finoana Azy dia tsy hoe mahafantatra fotsiny hoe misy Izy na hoe Zanak’Andriamanitra Izy fa mila miombom-po sy miombom-piainana miaraka aminy mba hahafahantsika manatanteraka izay nolazainy.

Koa mangataha amin’Izy Tompo àry isika mba hovelominy amin’ilay mofon'ny fiainana izay maharitra mandrakizay. Hoy mantsy Izy hoe : "Izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...