Alakamisy 16 jolay 2020 — Herinandro faha-15 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 28-30 — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

0 : 00

Dia mbola mitohy ihany anio ny fandrenesantsika ny tohin'ny Vaovao Mahafaly omaly, izay ahitana an'i Kristy mihevitra mandrakariva ireo mijaly sy vesaram-pahoriana, izay marihina fa omeny toerana voalohany tokoa ao am-pony sy amin'ny adidy izay ataony. Miantso azy ireo Izy hanatona Azy mba hohamaivaniny amin'izany manjo azy ireo izany ; antsoiny ihany koa hianatra ny halemem-panahy sy ny fanetren-tena tahaka Azy, ary indrindra sahy hitondra ny hazofijaliana miaraka aminy.

Tambitamby no omen'i Kristy ireo mahantra sy madinika ary manetry tena fa tsy mba teny maharary tahaka ny nomeny ireo mpiavonavona sy miseho ho ambony noho ny hafa. Midika izany, fa Izy mihitsy no manaiky haka ny toerantsika raha manatona Azy isika. Marina sy azo antoka fa mahatsiaro ho maivana tokoa isika raha miara-mitondra ireny sedram-piainana mihatra amintsika olombelona ireny amin'Izy Andriamanitra, koa henoy àry ny antson'i Kristy, ary maneke Azy mba hahita fiadanana ho an'ny fanahintsika isika.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...