Alatsinainy 27 jolay 2020 — Herinandro faha-17 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 31-35 — Velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra, fantany mazava ny fieritreretana amam-pisian'ny fo.

0 : 00

Ry Kristianina havana, amin’izao vanim-potoana iainantsika izao dia mandalo fotoan-tsarotra ny tany tontolo sy ny firenentsika manoloana ity areti-mandringana Coronavirus ity. Koa eo anatrehan’izany indrindra anefa, no te haneho amintsika i Jesoa amin’ity Evanjely naroso amintsika androany ity, fa misy heriny lehibe ny fiarahantsika miaina sy mandray anjara amin’ny fiainan’Izy Andriamanitra.

Koa fanoharana roa lehibe no entiny misarika ny fontsika, manoloana ny zava-tsarotra iainantsika ankehitriny. Fanoharana no ilazan’i Jesoa azy, mba ho entina ilazana amintsika fa misy zava-miafina ho antsika izay tsy ampoizintsika amin’izao fiainana iainantsika izao. Satria ny voatsinapy izay niafina tambanin’ny tany ka nitombo sy ny leviora izay nampibohaka ny lafarinina dia toy ny endrim-pamatarana ny zava-miseho amin’ny fiainantsika tsikelikely isan’andro. Noho izany, asan’Andriamanitra atombony tsikelikely ao amintsika dian’ny ankehitriny ny famboleny sy ny nampitoerany ny fanjakany ao am-pontsika, vantany vao nandray ny batemy isika. Koa velomy izany fanjakan’ny Lanitra efa nisy sy nampitsirin’Andriamintra ao ampontsika tsirairay avy ao izany, aza avela ho faty momoka izany na dia sarotra aza ny miaina ankehitriny. Koa manoloana ny mety ho fahasarotam-piainana iainana ankehitriny dia fantaro fa entin’Andriamanitra hanefena ny fiainantsika tsirairay avy izany, koa ifikiro i Jesoa, ary ao aminy isika no miafina sy mitombo mba ho tonga fanjakana honen’Andriamanitra ny tanintsika. Izao indrindra no tokony hanondrahana sy hikolokoloana ny fiaraha-miaina amin’Andriamanitra sy ahafahana mahafantatra ny sitrapon’Andriamnitra hampanjakana ny fanjakany dian’ny ety an-tany.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...