Talata 28 jolay 2020 — Herinandro faha-17 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 36-43 — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny fahamarinana ny Ray ; mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

0 : 00

Ry kristianina havana, iaraha-mahafantatra sy iaraha-mahalala fa izay rehetra nambaran’i Kristy no itokiantsika ho mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao. Araka ny voalazan’ny Evanjely teo anefa, dia manam-pahavalo mandrakariva ny fiainantsika eo amin’izao tontolo izao. Satria voa tsara no nafafin’Izy Kristy tao am-pontsika tamin’ny batemy noraisintsika, kanefa ny demony koa dia tsy sasatra ny namafy ahi-dratsy tao am-potsika.

Noho izany tena tany lonaka tokoa isika olombelona, ka na izy tena kristianina mamokatra voa tsara na izy fahavalon’Andriamanitra namokatra ahi-dratsy. Araka ny lazain’ny Evanjely teo anefa dia tsy maintsy ho tonga ny fotoam-pijinjana, ka samy angonina avokoa ny vokatra azo avy amin’ny olombelona tsirairay avy. Ny vokatra avy amin’ny nataon’ny tena kristianina dia hangonin’Andriamnitra ho any amin’ny Fanjakany ary ny vokatra avy amin’ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy kosa, izay fahavalon’Andriamanitra, dia hangonina ho any amin’ny memy, afo mirehitra mandrakizay. Noho izany, Fitiavana Andriamanitra ; tsy tiany hisy ho very isika na dia iray aza fa tiany hamirapiratra any amin’ny fanjakany any an-danitra. Koa meteza ho avotana ao anatin’ny haizin’ny fahotana sy ny fitiavan-tena ary ny fihatsaram-belatsihy amin’ny fiainatsika ; koa meteza hamboly fitiavana amin’izay toerana misy antsika tsirairay avy ka tsy ho mendrika antsika ny toerana any amin’ny memy mirehitra izay fitomaniana sy fikotroa-nify, fa hampanjaka sy hamafy fitiavana isika tena kristianina, araka ny nambaran’i Masindahy Jean de la Croix hoe : "Amin’ny tany tsy misy fitiavana meteza hamafy fitiavana".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...