Sabotsy 31 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-30 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 1. 7-11 — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

0 : 00

Ampahatsiahivin’i Masindahy Paoly Apôstôly antsika ny maha zava-dehibe ny fitoriana an’i Jesoa Kristy na aiza na aiza toerana misy antsika. Mahatsapa hafaliana ery izy mahita ny fahamatoran’ireto kristianina any Filipo amin’ny finoana. Ho azy, i Jesoa Kristy irery ihany sy ny fiombonana aina Aminy no zava-dehibe eto an-tany.

Hamafisin’i Jesoa Kristy ao amin’ny Evanjely ihany koa izany. Gaga Izy fa toa mihazakazaka ny hahazo ny toerana voalohany sy toerana tsara ny ankabeazan’ny olona tonga amin’ny fanasana. Tsy mifanaraka amin’ny fanasan’ilay Zanak’ondry anefa izany fihetsika izany, fa ny fiombonana aina amin’i Kristy sy ny fibanjinana Azy no voalohan-daharana fa izany no toerana sahaza sy tsy manam-paharoa azon’izay manatanteraka izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...