Talata 03 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 15-24 — Hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.

0 : 00

Mitantara endrika iray amin’ny fihinanam-be any amin’ny fanjakan’Andriamanitra eto i Jesoa : dia lehilahy nanao fanasana lehibe tamin’ny olona maro. Efa vonona ny mpanasa fa indrisy ireo asaina indray no tsy afaka. Samy nanana ny fialan-tsininy avokoa izy ireo amin’ny tsy fahafahany. Hany ka teiztra ny mapanasa satria efa nanomana ny zavatra rehetra ho azy ireo. Atao aiza sy zaraina ho an’iza ary ireto sakafo efa nomanina ? Vahaolana tsotra anefa no hitany dia ny hanome ny sakafo izay efa nomaniny ho an’ireo mahantra sy manan-kilema. Ity lehilahy ity izay tsy niteny mihitsy tamin’ny mpanompony hoe : "Andeha zarao amin’ny mahantra sy ny kilemaina eny an-dalana ireto sakafo ireto" fa hoe "Mandehana faingana mankany amin’ny kianja ka ento mankaty ny mahantra sy ny kilemaina" mba hihinana hiaraka amiko. Midika fitiava-namana tsy misy fepetra izany satria izy ireo dia tsy hahavaly ny fanasana izay nataon’ity lehilahy ity satria tsy manana na inona na inona.

Ny tian’i Jesoa ambara mantsy, dia ireo Jody tamin’izany no olona asaina mba hanaiky Azy ho Mesia. Nefa dia variana izy ireo tamin’ny fiainany andavandro sy ny fahefana izay nananany. Izy ireo no olona nasaina nefa tsy namaly ny fanasana. Rehefa tsy mandray an’i Jesoa ho Mesia tokoa isika dia tsy afaka ny hiara-hihinana Aminy, izay Izy ihany no sakafo ho antsika. Ny vatany sy ny Rany no atolony mba ho famonjena antsika. I Jesoa dia manasa antsika mandrakariva ao anaty Eokaristia fa isika indraindray dia sahala an’ireto olona izay nasaina nefa nandà izany. Atakalontsika ny asa aman-draharahantsika sy ny fianakaviantsika na ny namantsika ny fanasan’i Jesoa isaky ny Alahady na ireo andro voadidy hohamasinina.

Fanirian’Izy Andriamanitra àry ny hahitantsika tsirairay any amin’ny fihinanam-be any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tiany isika mba hiaraka Aminy. Aoka àry mba ho "eny" mandrakariva ny valin’ny fanasana izay ataon’Andriamanitra ho antsika zanany.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...