Alarobia 25 nôvambra 2020 — Herinandro faha-34 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 12-19 — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana.

0 : 00

Ampafantarin’i Jesoa mialoha ny fanenjehana sy ny fijaliana hihatra amin’ireo mpianany : fisamborana, fanaovana an-tranomaizina, famonoana, fankahalana, hany ka izay manjo Azy dia hanjo azy ireo koa. Ny fampijaliana ahatra amin’ny vatan’izy ireo no ahatsapany fa miombona tanteraka amin’i Jesoa izy ireo ary tsy ara-batana ihany fa ara-tsaina koa, eo ny tebiteby, eo ny tahotra. Toa endrika faharesena izany, saingy lalana tsy maintsy izorana makany amin’ny fijoroana ho vaolombelona, ahafahafana mijoro amin’ny marina ; ahafahana mametraka ny Fanjakan’Andriamanitra ao amin’ny fiainan’ny olona, ahafahana manome hasambarana ny olona. Tsy maintsy mijaly mba hahasambatra ny hafa. Tsapa amin’ity Evanjely nohenointsika ity fa tsy mora ny manara-dia an’i Jesoa fa hiaretana fijaliana sy fahoriana, saingy mihafara amin’ny fahombiazana sy fandresena, satria miaraka amin’i Jesoa, Ilay nandresy an’izao tontolo izao. Tsy miady irery akory ireo mpianany fa eo mandrakariva Izy araka ny teniny manao hoe : “Indro ho eo aminareao mandrakariva Aho mandrapatapitr’izao tontolo izao”.

Koa eo am-piatrehana ny fiaianana andavanandro dia indro i Jesoa eo amintsika, amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina, amin’ny alalan’ny Sakramenta isan-karazany iaianantsika amin’ny mahakristiana antsika, indrindra moa ny Sakaramentan’ny Eôkaristia. Misy ny ady atrehintsika isan’andro toy ny fiarovana ny finoana izay aina mamelona antsika sy hery entintsika miasa eo amin’ny fiainana. Izany ady atrehintsika isan’andro izany no mitarika antsika mankany amin’ny fandresena farany miaraka amin’i Jesoa, dia ny fitsanganan-ko velona. Araka ny nolazain’i Jesoa amin’ny mpianany fa Izy no hanome ny teny sy ny fahendrena ho azy ireo eo anatrehan’ny fitsarana azy ireo, amin’ny fiampangana azy ; olona tsy manam-pahaizana ireo mpianatr’i Jesoa ireo, olona tsotra, fa antoka ho azy ireo ny Fanahy Masina izay manome ny fahiratan-tsaina, ny teny ho lazaina, ny fahendrena. Toraka izany koa isika eo am-piatrehana ny fiainana andavan’andro, eo amin’ny fiarovana sy ny fijoroana amin’ny finoantsika. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...