Alahady 10 janoary 2021 — Ny Batemin'ny Tompo — Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: "Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy." — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 6b-11

Ry kristianina havana ! mankalaza ny batemin’ny Tompo ny Eglizy androany na ny nanaovana batemy an’i Jesoa, andro vitsivitsy aorian’ny nahaterahany. Ity fotoana lehibe ankalazaina ity no mamarana ny fankalazana ny Noely fa fanombohan’ny herinandro tsotra mandavan-taona kosa. Efa lehibe i Jesoa eto no atao batemy satria talohan’ny andehanany hitory ny Vaovao Mahafaly io nanaovana batemy Azy io. Ho antsika kosa dia mbola zaza no atao batemy : ny anton’izany dia hitantsika any amin’ny katesizy any.

I Jesoa nanatona an’i Joany hataony Batemy dia fampianarana ho antsika araka ny foto-kevitra hanentanan’ny Eglizy antsika anio hoe : "I Jesoa atao batemy : tandindon’ny batemintsika" satria i Joany tsy lehibe noho i Jesoa araka ny voalazan’i Joany tamin’ny Evanjely teo hoe : "avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho". Marina ny filazan’i Joany sady mbola maneho amintsika koa izy ny fanetren-tena lehibe nananany ary fampianarana ho antsika izany satria anisan’ny fototry ny hatsaram-panahy lehibe iainana ny maha kristianina ny fanetren-tena. I Joany no tokony ataon’i Jesoa batemy kanefa i Jesoa nanatona Azy atao batemy satria izany no drafitr’Andriamanitra, hoy i Jesoa. Zava-dehibe ny batemy ho antsika mpino ary tsy nataotao foana fa iankinan’ny ho avy rehetra amin’ny maha kristianina antsika. Ankoatra ny maha fanombohana azy eto, dia mampianatra antsika i Jesoa hoe Izy aza Andriamanitra atao Batemy mainka fa isika, koa manana adidy isika amin’ny maha mpino antsika hiroso amin’izany raha isika no mbola tsy vita ary hanampy ny hafa hiroso amin’izany raha mbola misy namantsika tsy vita any. Ny fitambaran’ny batemin’i Joany sy ny batemin’i Jesoa no maha lavorary ny batemintsika ankehitriny ka manome ireo fahasoavana maro ho antsika vokatry ny asan’ny batemy.

Fanombohana ny batemy. Hanomboka ny iraka ampanaovin’ny Ray Azy i Jesoa, dia Izy mihitsy aloha no mandray ny batemy mba hampiharihary ny maha Zanak’Andriamanitra Azy ; ary dia toy ny niseho nanehoan’Andriamanitra ny maha Zanany malalany an’i Jesoa no hananganany antsika ho zanany koa rehefa atao batemy isika. Miantso antsika koa ny Ray hibanjina an’io Zanany izay tena tiany io, satria araka ny fanentanan’ny Papa Fransoa antsika matetika, dia manampy antsika hikatsaka ny fiainana mandrakizay ny fibanjinantsika an’i Jesoa Zanak’Andriamanitra.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...