Sabotsy 13 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe : “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho” — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 9-14

"Izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra". Tsy mitsahatra mampianatra antsika fanetre-tena i Kristy. Asehony amintsika àry, fa ny vavaka ataontsika dia mety hanameloka antsika raha tsy atao amim-pitiavana sy amim-panetretena. Ny vavaka ataontsika dia tokony ho vavaka feno fanetre-tena tahaka ny nataon’ity poblikanina voalaza teo amin’ny evanjely teo ity: nihaiky ny helony izy, nifona tamin’Andriamanitra tamin’ireo heloka vitany ary sady tsy sahy nanatona akory aza, izany no vavaka ankasitrahan’Andriamanitra. Ny hany hampitandreman’i Jesoa antsika dia ny manao vavaka feno fihatsaram-belatsihy sy fitiavan-tena, tahaka ny vavak’ity fairisanina ity : vavaka feno fitantarana ny helokiny hafa, feno fireharehana amin’ny ezaka vitany, na fandokafan-tena.

Mazava ny fampianaran’i Jesoa tao amin’ny Evanjely androany, fa tsy ny fisehoana ho marina na ho tonga lafatra noho ny hafa no sitrak’Andriamanitra fa ny fieken-keloka amim-panetre-tena. Ny vavaka feno fanetre-tena no vavaka ankasitran’Andriamanitra. Koa angataho amin’ny Tompo àry ity hatsaram-panahin’ny fanetre-tena ity mba hahafahatsika hanompo sy hanampy ny hafa amin’izao karemy izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...