Sabotsy 11 janoary 2020 — Herinandro manaraka ny Epifania — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 22-30 — Ny olona nitoetra tao amin'ny haizina dia nahita fahazavana lehibe; ary ireo izay nitoetra tao amin'ny aloky ny fahafatesana no niposahan'ny mazava.

0 : 00

Na dia mpialoha làlana an'i Kristy aza i Joany, nanomana ny vahoaka handray azy dia tsy nihevitra ny tenany mihitsy ho ambony noho i Kristy. Na dia nanao batemy nialoha an'i Kristy aza izy, tsy mba nanohitra an'i Kristy velively. Tsy ny hifaninana amin'nizay maha-izy an'i Kristy no nahatongavan'i Joany nialoha làlana azy, fa ny fanetren-tena, ny fahamarinana, ny fahatsorana no nentiny nanondro an'i Kristy sy nanomana ny fahatongavany. Tsy i Kristy aho hoy izy, fa nirahana hialoha azy, Izy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa tsy maintsy mihena.

Hatsaram-panahy tsara ampiharina tokoa no asehon'i Joany antsika, manoloana ny fahombiazan'ireo izay heverina ho mpifaninana aminao eny anivon'ny fiaraha-monina eny fa tsy sanatria akory fialonana na fanenjehana no asetry azy. Tsy nisy fifaninana ny fifanenjehana velively teo amin'i Joany Batista sy i Jesoa na dia samy nanao batemy aza. Toetra azo alain-tahaka tokoa izany ho an'izay rehetra mitory ny Vaovao Mahafaly, fa tsy sanatria akory hifanohitra na hifanenjika manoloana ny fahombiazan'ny sasany: Vaovao Mahafaly no toriana fa tsy sanatria vaovao mampalahelo.

Koa raiso ary ianaro izay toetran'i Masindahy Joany Batista izay, nanomana an'i Kristy hitondra fahazavana Vaovao Mahafaly ho an'izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 marsa 2025

• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie de Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...