Alatsinainy 13 janoary 2020 — Herinandro voalohany mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 14-20 — Sambatra ireo mitana ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana.

0 : 00

Asam-pamonjena nataon'i Jesoa Kristy tety an-tany ny hitory ny Evanjelin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Votoatin'ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra ny fifbebahana sy ny finoana ny Evanjely. Ny fibebahana no toetra voalohany takiana amin'ireo handray ny Fanjakan'Andriamanitra, izany hoe toetra vonona hiova, dia ilay fiovana anaty ka hiala amin'ny toe-piainana ratsy sy tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ary ny fahavononana hitafy fiainam-baovao.

Fanjakan'ny fahamarinana sy ny fitiavana no mandrafitra ny Fanjakan'Andriamanitra. Niantso olona àry i Jesoa hifanampy aminy sy ho iraka amin'ny fanitarana io Fanjakana io. Olona eny am-perin'asa, eny am-pitadiavana fivelomana amin'ny fiainana andavan'andro no nantsoiny: mpanarato. Asa efa manavanana ireto nantsoiny voalohany ho mpianany ireto ny fanaratoana; koa tsy ho trondro intsony no ho aratoina fa olona. Efa tsinjo amin'izany ny hiorenan'ny Fiangonana, izay arato hanangonana ny olona rehetra hovonjena. Olona tsotra afaka hitondra ny Vaovao Mahafaly ka hampibebaka ny olona no nantsoiny.

Misy ireo antsoin'Andriamanitra manokana amin'izao androntsika izao ao amin'ny Fiangonana, ao ireo pretra sy relijiozy. Eo koa anefa ireo antsoina ho lahika mpikatroka, afaka mitory ny Evanjelin'ny Fanjakan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fandraisana andraikitra izay sahanina ao amin'ny Fiangonana. Ny tanjona dia ny Fiangonana Fiombonana, sehatra hitoriana ny Vaovao Mahafaly, hitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra; hitondrana famonjena ho an'izao tontolo izao.

Koa tsy ny fitoriana amin'ny teny ihany no handraisantsika ny adidy ao amin'ny Fiangonana fa amin'ny asa ihany koa. Na ny teny, na ny asa dia samy endrika hanehoantsika ny fanitarana ny Fanjakan'Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...