Alarobia 15 janoary 2020 — Herinandro voalohany mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 29-39 — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

0 : 00

Anisan'ny nahatongavan'i Jesoa teto an-tany ny hampianatra antsika ny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Fanjakana hajakan'ny fahafahana tanteraka, tsy misy fangenjana fa tena miaina malalaka amin'ny maha zanak'Andriamanitra. Tsy mijanona ho fampianarana fotsiny anefa izany fa narahany asa mivaingana: fanasitranana ny marary, fandroahana demony... Ary ireo nanana ny marary, na ny tsy salama, na ny azon'ny demony, dia samy nitondra ny havany teo anatrehan'i Jesoa ka sitrana avokoa ireny. Izany no anaporofoana ny finoana ananan'ny olona. Ny finoana no herim-panahy lehibe manentana ny olona hanatona an'i Jesoa mba hositraniny.

Areti-mandoza mahazo antsika ny fahotana. Mbola asan'ny demony ao amin'ny fiainantsika ny fahotana, mamatotra sy mangeja antsika. Ny sakramentan'ny fampihavanana no entin'ny Fiangonana manafaka antsika amin'izany fatotra sy geja izany.

Rehefa nahavita ny asam-pamonjena i Jesoa: nanasitrana ny marary, nandroaka fanahy maloto dia lasa nivavaka. Ny fivavahana no fanovozana hery ho entina hiatrehana ny fiainana. Fifandraisana amin'Andriamanitra ny vavaka. Ny hery nananan'i Jesoa dia vokatry ny fifandraisany amin'ny Ray. Koa raha tahiny tiantsika ny hahomby eo amin'ny fiainana dia tsy maintsy mivavaka isika. Ao anatin'ny vavaka no hahatsara fiafara ny fiainantsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...