Talata 31 aogositra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 31-37

Ambaran'i Masindahy Lioka amintsika eto àry, ny fitorian-teny ampahibemaso voalohany nataon'i Kristy ka ilazany toy ny "Manam-pahefana" izy manao izany, ary mihoatra noho ny manam-pahefana aza, satria hatramin'ny Demony dia nanaiky azy. Izany no hanaporofoina fa mahery tokoa ny tenin'Andriamanitra, ary mitondra fahafahana sy famonjena ho an'izay mandray azy. Ny fahalavorarian'ny tenin'Andriamanitra, izay tsy iza fa i Kristy, dia mandresy ny tsy fahalavorariantsika olombelona ka mitondra antsika any amin'ny hafaliana sy ny fahasambarana. Ireo evanjelistra rehetra dia manamarika izany fahefan'ny tenin'Andriamanitra izany, eo anivon'izao tontolo izao sy ny zava-miseho eo aminy, toy ny aretina, ny loza mitranga, indrindra ny herin'ny Demony, izay hitantsika eto : "Mangina ary miala amin'io lehilahy io".

I Jesoa miteny amin'ny vahoaka izay nitenenany manokana ny Demony, dia noho ny fahefany sy ny hery ao aminy. Mampiasa ny maha Mpamonjy azy izy eto, manafaka ity lehilahy iray amin'ny fatoran'ny Demony maloto. Ny teny tokoa anie, toy ny sabatra roa lela, marani-daniroa. Mainka moa fa ny tenin'Andriamanitra, tenin'Ilay Mahery, mamelona fa tsy mamono, koa toria sy ankalazao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...