Sabotsy 18 septambra 2021 — Herinandro fahefatra amby roapolo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 4-15

Rehefa nitety tanàna sy vohitra i Jesoa sy ireo mpianany, araka ny Evanjely nohenointsika omaly, dia nisy vahoaka betsaka sy olona avy amin’ny tanàna tonga nihaino ny fampianarany. Fomba entina mampita hafatra na enti-mampianatra tamin’izany ny fanoharana. Koa nohariny amin’ny voa afafy ny teny afafy ao am-pon’ny olona. Arakaraka ny tany mandray ny voa no hampamokatra azy na tsia. Tsy misy vokatra atenaina eto ho an’ireo voa latsaka eny amoron-dalana, amin’ny tany be vato, ny tany feno tsilo maniry. Fa hamokatra be kosa ny voa latsaka amin’ny tany lonaka. Ny fontsika no tany handray ny teny afafy, ny teny ampitaina sy ampianarina. Raha tahiny io fo amam-panahintsika io tsy vonona ny handray ny Tenin’Andriamanitra dia tsy hisy vokany amin’ny fiainantsika ny teny torina sy ambara, tsy misy azo antenaina.

Koa ilaina ny fo misokatra amin’Andriamanitra sy ny Teniny. Isika olombelona rahateo saina sy safidy, afaka mandray afaka tsy mandray. Isika no mahatsapa izay mahasoa antsika ary Andriamanitra dia manaja mandrakariva ny safiditsika. Ny hanova ny fontsika, hanova ny fiainantsika ho amin’ny tsara, ho amin’ny fahalavorariana no kendren’Andriamanitra ka ho zanaka mahatehotia eo imasony. Hoy i Jesoa hoe : "Tsy aiza ny Fanjakan’Andriamanitra fa ao anatinareo". Ny fiainana ao anatintsika ao no mila fiovana, dia fiovana amin’ny tsara kokoa hatrany. Mitondra fibebahana ao amintsika ny Tenin’Andriamanitra. Mbola amafisin'i Jesoa izany amin’ny alalan’ny teniny manao hoe : "Ny voa no ahafantarana ny hazo : ny hazo tsara dia mamoa voa tsara". Miezaka isika mihaino ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara ary amim-pitandremana mba hamokatra tsara amin’ny fiainantsika io Tenin’Andriamanitra io, ahatonga ny fiainantsika hiteraka hafaliana ho an’ny hafa. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...