Alakamisy 21 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 49-53

Mahamay mandrakariva ny afo ka manazava sy mandoro ary manadio izay misy azy. Ny Fanahin’i Jesoa fitiavana no Afo nentiny tety amintsika ka tiany hiredareda mandrakariva izany. Tiany hanazava aloha vao handoro ny aretin-dratsin’ny fahotana. Izay milalao azy no ho may. Ny tena mafy anefa tsy matahotra afo fa vao maika aza dioviny ka lasa mamirapiratra, miseho ny maha izy azy, toy ny volamena ahofana amin’ny afo aloha ka may ny loto fa ny tena izy sisa hita eo. Eto izao tonga hanipy afo etỳ ambonin’ny tany Izy Kristy, ka akory ity faniriany mba hirehetan’izany ! Afo manazava sy mandoro ary mandio antsika. Koa abaribarin’izany afo izany ny loton’ny fankahalana, ny fisarahana, ny fanavakavahana, ny fifandrafiana, ny fialonana. Hany ka na ny iray trano, ny mpihavana aza mety hifandrafy. Izay io lazain’i Jesoa io.

Koa ilaina ny Afo tsy hanetroka na hitsilopilopy na mandavenona fa hirehitra hiredareda sy mivaivay. Fa afom-pitiavana io fa tsy afom-pankahalana. Izay mitakosina amin’ny faharatsiana ka doran’io afo io no maika hisara-bazana, fa izay mahay mandray io Afo io kosa satria mafy tsy hihontsona akory fa vao mainka aza hanamafy ny fihavanana amam-pifankatiavana. Izany hoe izay miaina ny tena fitiavana vao mainka mahazo aina mandray ity afom-pitiavana ity fa izay feno lolom-po sy manao fo lentika dia handroadroatra, handrobona fisarahana amam-pialonana, ka hamony fifandrafesana sy ady an-trano. Vokany : mifampiandany sy mifanao ankolafiny, mizarazara. Izany rehetra izany no tsy maintsy dorana. Mety mahatonga ny ady, ankoatra ny fialonana, dia samy tsy mety ho diso, tsy mahay mifandefitra, mifampiandry kendry tohina, mifampitsikilo sy mifampitsikera, ny hambom-po diso toerana, hany ka tsy mahay mijery afa-tsy ny lafy ratsiny aman’olona sady jerena amin’ny lopy aza mba hiitatra sy ho ngeza, izany hoe : mahay mampitombo fa ny an’ny tena ihany no asandratra sy ahindrahindra na hita sy tsapa aza fa ratsy. Mila ialana izany rehetra izany fa ratsy sy mahavanon-doza !

Izao koa : mahazo hirika ny ratsy, mahazo aina ny Demony rehefa misy ady sy fialonana amam-pifandirana. Aza omena vahana izany izy e ! Izao no azo atao : na any amin’ny taningazan’ny fankahalana aza ambolena fitiavana mety hioty izany ihany raha maharitra. Vokatr’ilay afo koa izany. Koa tsy ny hahafantatra hoe iza no mifanandrina vao ho taitra fa basy efa natifitra havana io dia mirangaranga ka aleo misoroka araka izay azo atao. Amin’izay mety ny miala bala, fa raharahan’izay mbola miditra ihany nefa fantatra fa mandoza !

Manaraka izany, tsy ho an’ny olona fotsiny fa ety ambonin’ny tany mihitsy no nanipazan’i Jesoa ity afo ity. Ka ankoatra ny fifandraisan’ny samy olona, eo koa ny fifandraisana amin’ny zavaboary hafa mba hahatsara ity tranobe iombonana ity. Satria tokoa tsy ny olona ihany no zavaboarin’Andriamanitra fa mbola misy hafa ka tsara tokoa ny mandrindra fihavanana amin’izay ireny : na biby na zava-manitry na tany sy ireo rehetra misy eo aminy. Koa fadiana mihitsy ny manimba ireny, toy ny doro tanety, ny mamonomono biby fahatany, ny mandoto tontolo iainana, fa poizina manimba ny tany be iombonana, zava-boarin’Andriamanitra, natao iainanatsika. Ny afom-pitiavana no aoka handrehitra antsika fa tsy ny lelafo manimba ny tany toy izany. Mahereza àry isika rehetra. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...