Zoma 22 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 54-59

Nentina teto amintsika amin’ity fetin’i Masindahy Joany Paoly faharoa ity ny Evanjely voalahatra amin’izao herinandro tsotra mandavantaona faha-29 izao. Tsiahivina àry fa zavaboarin’Andriamanitra izao rehetra izao, ka isan’izany isika olombelona. Izao anefa, misy zavatra hafahafa : misy manompo ireny zavaboary ireny, manao an’ireny ho ambony noho Ilay Mpamorona azy, manakalo an’ireny an’Andriamanitra, ireny aza no manan-kasina noho Andriamanitra ho an’ny sasany ka lasa mifamadika ny rasa, hany ka miseho ny zava-doza, mipoitra ny atambo. Izao anefa, tsy misy ambony noho Andriamanitra izany, tsy misy mahasolo Azy na iza na iza, na inona na inona, ary na ho aiza na ho aiza. Tsy misy dikany avokoa izao rehetra izao raha mitaha Aminy satria Mpamorona sy Tompon’izao rehetra izao Izy. Mazava araka izany fa ambony lavitra ny Mpahary raha mitaha amin’ireo zavatra noharîny. Ny mampifamadika izany no tena zava-doza aman’atambo. Izany hoe ny manompo zavaboary, atao mitovy amin’Andriamanitra na ambony noho Izy aza ho an’ny sasany.

Efa nataon’Andriamanitra ho mpanjakan’ny zavaboary hatrany am-piandohana isika olombelona, hany ka tsy mahagaga raha haintsika fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany, kanefa izao andro diavintsika izao tsy haintsika ny mamantantra azy. Hay ny mampifandray ny rivotra sy ny hafanana ary ny toetry ny andro fa tsy hay ny mampifandray ny zava-misy iainana sy ny finoana. Izy Andriamanitra miteny fa ny olony mitodi-damosina Aminy, manampin-tsofina, fa variana amin’ny zava-mandalo matetika, sarahina ny zava-misy sy ny finoana, mionona sy mihanina amin’ny hita maso ihany fa tsy te hahalala ny any ankoatra sy ny maharitra mandrakizay.

Tsarovy fa mpivahiny isika, tsy hisy honina eto mandrakizay izany, natao hanomanana ny mandrakizay ny eto. Koa amin’ny maha mpivahiny antsika, isan’ny takiana amintsika ny mifamela, aoka tsy hanao fo lentika, manjary tsy afa-trosa isika raha mbola tsy mahay mifamela dieny izao. Rehefa tsy vita eto mantsy izany dia tsy maintsy efaina ao amin’ny afo fandiovana. Mazava ny tenin’i Jesoa eto : "Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra." Koa tsy aleo ve dieny izao no manefa trosa toy izay any ! Koa aza miady aman’olona fa samy mitovy ihany, samy mpivahiny : ianao mijaly, ny olona iadianao manoatra noho izany, ny fiaraha-monina misy anareo mijaly. Fa raha vonton’ny indrafo ka mamela foana dia ho afaka avokoa izany rehetra izany sady hanana fiadanam-po no tsy haharitra ao amin’ny fanefana trosa. Satria tsy hidiram-pentina ny lanitra. Ho ampoka famindram-po anie ny fiainantsika mba ho azontsika ihany koa izany rehefa miala ety. Amen !

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...