Sabotsy 23 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 1-9

Efa hatry ny ela, tamin’ny andron’i Jesoa tety an-tany aza, no efa nisy ny mpitati-bolana ary mitohy mandraka ankehitriny izany ; tsy resaka ankizy fa olon-dehibe : angamba te hahita ranondranony eo anatrehan’ny lehibe na ny mpitondra ka misolelaka, mahay atsy sy aroa. Izay mpanao an’ireny anefa matetika no tena tsy mamely eo amin’ny fiainana, tsy alehany, manarontsarona ny ataony ka mody tsara eo anatrehan’ny lehibeny nefa any ambadika olon-doza ; toy ny sotro be lava tango fa sady ikapohana alika no angaroana laoka ! Tsy azo henoina loatra ny takalaza ataon’ny toy ireny fa tena manodoka, toa voara feno vitsika, na tsara ivelany toa tsihy na fanambanana kanefa ny ao antiny feno vitsika na maloto sy ratsy. Eto izao : nisy olona sasany tonga nilaza tamin’i Jesoa ny nanjò an’ireo Galileanina, fa nalatsak’i Pilaty niaraka tamin’ny soron’izy ireo ny rany. Mazava ny valin-kafatra avy amin’i Jesoa : tsy ireny akory no meloka kokoa noho ny sasany matoa toy izany fa “raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra”. Koa ahitsin’i Jesoa ny fomba fisainana eo anatrehan’izany ka asongadiny ny fibebahana. Fa samy takiany an’izany na ilay nitati-bolana na ny hafa fa tsy misy afa-maina. Nitady izy ka nahita. Mahamaika antsika mantsy ny hanome tsiny sy hitsaratsara ary ny hitsikera ny hafa.

Fa ankoatra izany, mitaky faharetana ny lalan’ny fibebahana mba hampamoa azy, raha tsy izany ho kapaina eo. Tsy mety mantsy ny manafay avy hatrany ho an’ny olona manao hadisoana. Aza malaky mikapa, manala fa andraso izy aloha hiova ka hibebaka. Aoka ho toa an’Andriamanitra isika, tsy maika hikapa na hanesotra na hanafay antsika Izy rehefa manao hadisoana isika fa maharitra Izy mba hibebahantsika. Isan’ny mpiasa isika, samy tompon’andraikita ka aza mifanilikilika fa aoka hiava ny fotony, hanisy zezika, hanondraka raha ilaina izany ; sao noho isika no tsy hampamoa azy. Tsy amin’ny teny ihany no anaovana izany fa amin’ny atao koa satria ny atao mahasarika, iny no hita. Koa aza miandry fotoan-dehibe toy ny Paka na ny Noely na fetim-piangonana vao mibebaka fa mila mibebaka na amin’ny fotoana na tsia. Eo amin’izay nahalavo no miarina avy hatrany fa tsy mandadilady lavitra vao mitsangana, indrindra moa raha olon-dehibe no potraka na lavo toy izany. Eo amin’izay nahadiso no mifona fa tsy manao ampitso ampitso lava. Aoka tsy ho vizana hitady famelana sy tsy ho sasatry ny mamindra fo isika fa izany no toetran’Andriamanitra ivavahantsika. Ny antsika olombelona mantsy te kikapa sy hanala foana, tsy maharitra akory. Fa ho tonga any amin’ny fiainana mandrakizay izay maharitra mibebaka. Ho to amintsika anie izany. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...