Talata 9 novambra 2021 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Fidiko sy hamasiniko hatramin’izao itý trano itý, hoy ny Tompo, hitoeran’ny Anarako mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 19-24

Ry kristianina havana ! Mankalaza ny nitokanana ny Bazilika ao Latran, Katedralin’ny Papa amin’ny maha Evekan’i Rôma azy ny Eglizy anio. Io no renivohitry ny Eglizy maneran-tany noho ny maha fiketrahan’ny Ray masina azy satria izy no filohan’ny Eglizy, dimbin’i Masindahy Piera. Tandindon’ilay Jerosalema tamin’ny fotoan’androny fa famantarana ilay Jerosalema tanindrazantsika rahatrizay ihany koa. Famantarana satria mitarika antsika hibanjina ilay Jerosalema any an-danitra ; vao tsy ela akory isika no nankalaza ny fetin’ny olomasina rehetra araka ilay fiekem-pinoantsika hoe "mino ny fiombonan’ny olomasina rehetra isika".

Ny Evanjely naroso tamintsika teo, manamarika ity fety fankalazana ny fitokanana ity dia manambara ny fifampiresahan’i Jesoa sy ilay vehivavy Samaritana teo amin’ny fantsakana raha nandeha nitady sakafo tany an-tanàna ny mpianany. Fangatahana rano hosotroina no niandohan’ny resak’izy ireo ka niafara amin’io Evanjely naroso tamintsika teo io ny resaka. Izany hoe i Jesoa misarika ny sain’ity vehivavy Samaritana ity hanakatra lavitra satria ny rano nampanantenain’i Jesoa azy fa tsy hampangetaheta intsony ary fanomezana avy amin’Andriamanitra dia ny famonjena, araka ny voalazany tamin’ny Evanjely teo hoe avy amin’ny Jody ny famonjena. Izany dia noho ireo faritany roa samy hafa ireo tsy dia mifankahazo loatra. Nampanantenain’i Jesoa tamin’ilay vehivavy teo ary amintsika koa fa ho avy ny andro tsy maintsy hitodihantsika amin’ny Ray dia Andriamanitra fanahy sy fahamarinana, ary izany no tena andrasany amintsika. Raintsika izy ary mahafantatra antsika tsara ary fantatsika koa satria isika natsangany ho zanany tamin’ny batemy, ary amin’ny alalan’io sakramenta io no ahafahany miantso ny anarantsika tsirairay avy. Nomena antsika tamin’ny batemy ny fanahy izay hitarika antsika amin’ny marina rehetra, koa meteza àry isika hitodika mandrakariva amin’ny Ray ka hizotra amin’ny lalana hitarihan’ny fanahy antsika fa izany no hitarika antsika ho any amin’ilay Jerosalema tanindrazantsika rahatrizay.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...