Alakamisy 11 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 20-25

Ry kristianina havana ! Ny fanjakan’ny lanitra dia voateny matetika ao amin’ny Baiboly, indrindra ao amin’ny Evanjely ; ary anisan’ny fampanantenana lehibe omen’i Jesoa antsika. Miandry fatratra izany ny olombelona rehetra, indrindra ny mpino satria samy mangetaheta ny ho voavonjy avokoa isika rehetra. Ankehitriny moa izany dia mbola samy miandry io andro manan-daza sy tsy manam-paharoa io isika ; miandry ilay fotoana sambatra rehefa miala eto amin’ity Eglizy miady ity. Rahoviana tokoa àry izany ? Izay ilay fanontaniana nanitikitika ilay Farisianina teo, fa fanontaniana matetika apetratsika koa io. Misy manko manontany mihitsy hoe tena misy ve izany farandro izany.

Ny valin-tenin’i Jesoa dia mazava hoe tsy be fiavy izy na malaza sy manetriketrika fiavy noho io fanjakana io fanjakan’ny fitiavana, fanjakan’ny fanetren-tena sy ny fandeferana ary fanjakan’ny malemy fanahy. Hoy i Jesoa, ho efa ao am-pontsika izany fanjakana izany, indrindra rehefa miaina ireo hatsaram-panahy ireo isika. Tsy hita taratra ety ivelany manko izany fa mitoetra ao anatin’ireo rehetra mitonona ho kristianina ka miaina izany. Araka izany àry voalohany indrindra dia miafina io Fanjakana io, miafina ao am-pontsika ka mila sofina malady maheno ny bitsika ataony ao am-pontsika, ary mila maso mahita azy na dia ao anatin’ny maizina aza, satria ao izy no tena hita mamirapiratra. Faharoa dia mistery na zava-miafina io Fanjakana io, satria ambaran’i Jesoa fa an’ireo mahantra am-panahy sy ireo miaritra ny mafy noho ny finoana izy. Mifono ao anatin’ireny famantarana maro iainantsika ny sakramenta isan-karazany ireny àry, ny tsiambaratelon’ireo Fanjakana io koa aoka isika hiezaka hamantatra izany dieny ety an-tany, satria ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra, ary ny entim-belona no enti-maty koa izay ezaka rehetra ataontsika ety an-tany dia fiomanana handray izany Fanjakana miafina sy mifono mistery lalina izany kanefa dia nampanantenain’i Jesoa antsika. Ny hamaranany ny fampianarany teo moa dia hoe tsy maintsy hijaly aloha izy ary ho lavin’ity taranaka ity. Misy fiaretana ny mafy aloha eo tsy maintsy hiaretantsika sy sedraintsika vao mahazo izany Fanjakana izany isika, koa ankino am-pinoana amin’Andriamanitra izay rehetra mety ho sedra zakainao miaraka amin’i Kristy mba handovanao io Fanjakana io.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...