Zoma 12 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fa amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 26-37

Ry kristianina havana ! Koa satria efa mamaramparana ny taona litorjika ny Eglizy dia misarika ny saintsika hitodika any amin’ny farany koa ny Tenin’Andriamanitra. Izay niantomboka tsy maintsy misy fiafarany. Etsy an-danin’izany moa ny dian’i Jesoa koa, araka ny voalaza teto tamin’ny Alarobia dia miroso makany Jerosalema ; izany hoe efa manatona ny fiafaran’ny diany eto an-tany koa i Jesoa ka izany koa no antony hiresahany momba ny faran’izao tontolo izao. Isaky ny misy fiafaran-javatra iray dia toa manambara filazana sy fampitandremana amintsika izay : raha misy filazana fahafatesana na filazana manjo, na ihany koa faharavan-javatra vokatry ny afo sns, dia toa miteny amintsika izany fa manam-petra ary marefo ihany isika sy ny manodidina antsika ary izao rehetra hita maso izao. Raha misy tondra-drano mahafaty olona maro na ihany koa lozam-piarakodia mety ahafatesana olona maro amin’ny fianakaviana iray dia toa manaitra ny saina sy ny fontsika izany hoe manao ahoana koa izany ny fiafarako, na hoe toy izao izany ny fiafaran’ity olona na ity taranaka ity.

Miantso antsika àry i Jesoa, hibanjina mandrakariva ny farany fa tsy ampoizina io. Isika toa varina amin’ny fiainana andavanandro eny foana ka tsy mba mieritreritra an’izany mihitsy. Ohatra telo no entin’i Jesoa mampisaina antsika eto ; ohatra telo efa nisy tany aloha tany ara-tantara : ny safo-drano, ny faharavan’i Sôdôma tamin’ny andron’ny Lôta ary ny faharavan’ny tanàna tamin’ny alalan’ny afo sy solifara nilatsaka avy any an-danitra. Ny fiainana anie mandeha foana. Ny zava-misy iainantsika ankehitriny izao dia io valan’aretina Covid-19 io izay mamono olona maro be hatramin’izao. Toa fambara zavatra ho an’izao tontolo izao izany. Na inona anefa fepetra apetra hisorohana izany dia ny fiainana fiainana ihany : miasa mitady vola, mivarotra, mampaka-bady, miteraka sns. Manoloana izany àry dia aoka isika hitsinjo ny farany mandrakariva.

Amin’izany fotoana izany àry, izay tsy mbola fantatsika ny fotoana marina sy ny andro dia manamafy hantrany ny tokony hananantsika fahavononana hiatrika izany. Tsy misy mihitsy fotoana tokony ho very na dia iray segondra monja aza. Ny zavatra hiseho amin’izany manko dia maneho amintsika avy hatrany fa tsy hanana fotoana hanaovana an’izao sy izao intsony isika fa izay tsy vita any dia any aloha. Manokana dia manokana ny famonjena ka jereo ny tenanao ary mivonona mandrakariva mba tsy hanampoka anao izany fotoana izany. Mivonona satria ny fotoana rehetra dia toa mamaritra izany farany izany avokoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...