Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 41, 13-20)

Izaho no Mpamonjy anao, Ilay Masin’i Israely.

Izaho no Tompo Andriamanitrao
mitantana anao amin’ny tanana an-kavanana,
milaza aminao hoe:

“Aza matahotra, izaho no tonga mamonjy anao.”

Aza matahotra, ry kankana avy amin’i Jakôba,
ry olom-bitsy sisa tamin’i Israely!
fa Izaho no tonga mamonjy anao — teny marin’ny Tompo —
ary Ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.
Indro ataoko ambaràmba maranitra ianao,
sady vao no marani-daniroa,
hodiovinao ny tendrombohitra sy hotorotoroinao,
ary hampanjarianao akofa ny havoana.
Hokororohinao izy,
ka hopaohin’ny rivotra sy haelin’ny ranonoram-baratra.
Fa ianao kosa hientan-kafaliana amin’ny Tompo,
ary Ilay Masin’i Israely no hireharehanao.
Ireo ory sy mahantra,
izay mitady rano fa tsy mahita,
ka mainan’ny hetaheta ny lelany,
dia Izaho Tompo no hihaino azy.
Izaho Andriamanitr’i Israely tsy handao azy.
Hampiboiboika renirano,
eo amin’ny tendrombohitra mangadihady Aho,
ary loharano eo afovoan’ny lohasaha:
hovako ho farihy ny efitra,
ary ho loharano miboiboika ny tany karankaina.
Ny efitra hampaniriako sedera, akasià, mirta sy ôliva;
hataoko indray maniry eo amin’ny tany lava volo
ny sipresa, platana, ary boisy.
Mba ho hitany sy ho fantany
ary hodinihiny sy hiarahany mahalala,
fa ny tanan’ny Tompo no nanao izany,
ary Ilay Masin’i Israely no nahary izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 144, 1 sy 9. 10-11. 12-13ab

Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po.

Manandratra Anao aho, ry Andriamanitra Mpanjaka,
sy misaotra ny Anaranao, ry ilay Mandrakizay!
Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo;
mambomba ny asany rehetra ny fangorahany.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.

Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery,
ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny fanjakanao;
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 11-15)

Mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Lazaiko aminareo marina tokoa
fa amin’izay natera-behivavy
mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista;
kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra
no lehibe noho izy.
Ary hatramin’ny andron’i Joany Batista no ho mankatý
dia azo an-keriny ny Fanjakan’ny lanitra,
ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy.
Fa ny Mpaminany rehetra sy ny Lalàna
dia naminany hatramin’i Joany,
ary raha mety mino ianareo
dia izy no ilay Elia ho avy.
Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 40, 25-31)

Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra manome hery an’izay sasatra.

Iza àry no hampitovinareo Ahy,
ka ho tahaka azy Aho, hoy ilay Masina?
Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere.
Iza no nahary ireo zavatra ireo?
Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo,
sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy,
ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany,
tsy misy midify ireny na dia iray aza.

Nahoana ianao, ry Jakôba, no milaza,
ary ianao koa, ry Israely, no miteny hoe:

“Miafina amin’ny Tompo ny lalako,
ary takona eo anatrehan’Andriamanitra
ny rariny ananako?”

Tsy fantatrao va? Tsy renao va?
Andriamanitra mandrakizay ny Tompo,
izay namorona ny faran’ny tany;
izay tsy mba mety sasatra na vizana
ary tsy takatry ny saina ny fahendreny.
Manome hery an’izay sasatra Izy
ary mampitombo tanjaka an’izay reraka.
Ny zatovo mety sasatra sy vizana,
ary ny tovon’olona mety hangozohozo.
Fa izay miankina amin’ny Tompo kosa,
mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery;
hihazakazaka, tsy hahalala sasatra;
handeha fa tsy hahatsiaro vizana.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 102, 1-2. 3-4. 8 sy 10

Isaory ny Tompo, ry fanahiko.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
sy ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra:
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!

Izy ilay mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny lavaka,
manototra hatsaram-po sy indrafo anao.

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika;
na araka ny helotsika no avaliny antsika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 28-30)

Mankanesa aty amiko ianareo izay mijaly sy vesaram-pahoriana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny nanao hoe:

“Mankanesa aty amiko ianareo rehetra
izay mijaly sy vesaram-pahoriana,
fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko,
fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho,
dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
fa mora entina ny jiogako,
ary maivana ny Hazofijaliako.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 40, 1-11)

Hampionona ny vahoakany Andriamanitra.

“Ampionony, ampionony ny vahoakako,
hoy Andriamanitrareo.
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy,
fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony,
voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo,
ny indroa heny valin’ny fahotany.”

Injany misy feo miantso hoe:

“Misavà lalana any an’efitra ho an’ny Tompo,
manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra:
ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry;
ny avo hanjary tany lemaka;
ary ny vato mideza ho lembalemba.
Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo,
ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kanavaka
fa ny vavan’ny Tompo no efa niteny.”

Injay misy feo manao hoe:

“Miantsoa!”

dia nisy namaly hoe:

“Ahoana no antso hataoko?”
— “Ahitra ihany ny nofo rehetra
ary tahaka ny vonin-javatra eny antsaha
ny hatsaran-tarehiny.
Maina ny ahitra, malazo ny voniny
rahefa seranin’ny fofon’ain’ny Tompo.
Eny, ahitra ihany ny olombelona:
maina ny ahitra, malazo ny voniny,
fa ny tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay.”

Miakara eny an-tendrombohitra ianao
izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna.
Manandrata feo mafy ianao
izay mitondra ny teny soa ho an’i Jerosalema;
manandrata feo fa aza matahotra,
lazao amin’ny tanànan’i Jodà hoe:
Indro ny Andriamanitrareo!
Indro fa tonga ny Tompo Andriamanitra,
amin’ny heriny, ny sandriny mampiasa ny fahefana.
Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy,
ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry izy;
handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny,
hitondra an’ireny eo an-trotroany,
ary handroaka moramora ny mampinono.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 95, 1-2. 3 sy 10ad. 11-12. 13

Indro fa tonga ny Andriamanitsika miaraka amin’ny heriny.

Ikaloy ireo hira vaovao
ho an’ny Tomponao ry manan’aina.
Ny fisaorana aoka hanakoako.
Isan’andro vaky dia torio
’tony vonjy nentiny lazao,
mba handre daholo ny eran-tany.

Fa ny Tompo ihany no ambony,
mahatahotra Izy noho ny hafa,
ka variana erý ny firenena.
Tsinontsinona avokoa, rey lahy
ny andriamani-kafa tsy miteny,
f’Izy irery no masi-mandidy.

He! ny Tompo irery no Mpanjaka.
’Tony tany: vitany mijoro.
Zany rariny entiny mitsara.
Mifalia, ry lanitra sy tany.
Aoka hidobodoboka ny riaka
ka hifalihavanja izany saha.

Mandihiza ianao, ry hazo an’ala.
Anoloan’ny Tompo: indro Izy
mba hitsara ’zao tontolo izao.
’Tony tany itony hozakainy.
Ny ambanilanitra hotsarainy,
ilazany “marina” hatrany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary Izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 12-14)

Tsy tian’Andriamanitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ahoana ny hevitrareo?
Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray,
moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo;
ka handeha hitady ilay nania izy?
Ary raha sendra hitany izy,
dia lazaiko marina aminareo
fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy
noho ny sivy amby sivifolo tsy nania.
Toy izany koa,
tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very
na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz 35, 1-10)

Andriamanitra mihitsy no ho avy ka hamonjy anareo.

Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina,
hiravoravo ny tany lemaka lava volo,
ary hamony tahaka ny narisisa;
hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana
ary hanao hoby firavoravoana izy.
Homena azy ny voninahitr’i Libàna
mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna.
Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo,
sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.
Hatanjaho ny tanana osa,
herezo ny lohalika mangozohozo!
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:

“Makà hery fa aza matahotra.
Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana,
famalian’Andriamanitra,
Tenany no avy, dia hamonjy anareo.”

Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba,
halady ny sofin’ny marenina.
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,
hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Fa hisy rano miboiboika any an’efitra,
ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo.
Ny tany hay, hanjary ho farihy,
ary ny tany mangentana ho loharano.
Ny lavaka fonenan’ny amboadia
hanjary saham-bolotara aman-jozoro.
Hisy arabe, hisy lalana,
izay hatao hoe ny lalana masina;
ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo;
fa ho azy ireo ihany izy io;
izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.
Ao tsy mba hisy liona,
tsy hisy biby masiaka mandia ao, tsy hisy ho hita ao.
Fa ny voavonjy no hizotra ao
ary ny navotan’ny Tompo no ho tonga ao indray;
ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy,
fa ny sento amam-pijaliana handositra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14

Inty ny Andriamanitsika izay tonga hamonjy antsika.

Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo
mirary fiadanana ho an’ireo tiany,
mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.
Akaiky izay mino Azy Tompo
ny vonjy honenan’ny lazany ety amintsika.
Koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany,
ny hitsiny hita mitsiry amin’ny tany.
Mitsinjo avy eny amin’ny rahon’ny lanitra kosa ny rariny.
Handrotsaka orana anie Izy Tompo,
izay hampamokatra tsara ny tany.
Fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitra ô; ny tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay!

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka (Lk 5, 17-26)

Nahita zava-mahagaga isika androany.

Indray andro, raha nampianatra i Jesoa,
dia nipetraka nanodidina Azy teo koa
ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna sasany
avy tamin’ny tanàna rehetra tany Galilea sy Jodea
mbamin’i Jerosalema,
ary tao aminy hanasitranany ny marary
ny herin’ny Tompo.
Dia indro nisy olona
nitondra lehilahy malemy anankiray tamin’ny fandriany
ka nitady hampiditra sy hametraka azy teo anatrehany;
fa tsy nahita izay hampidirany azy izy ireo
noho ny habetsahan’ny olona,
ka niakatra teo ambonin’ny tafon-trano izy
ary nanesorana ny tafo
dia nampidininy teo afovoan’ny olona
teo anatrehan’i Jesoa ralehilahy mbamin’ny fandriany.
Nony nahita ny finoan’izy ireo i Jesoa, dia nanao hoe:

“Ralehilahy, voavela ny helokao.”

Tamin’izany ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina
dia nisaintsaina anakampo nanao hoe:

“Iza moa ity miteny ratsy toy izao ity?
Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery.”

Fa fantatr’i Jesoa ny heviny, ka hoy Izy taminy:

“Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
Inona no mora holazaina kokoa, ny hoe:
Voavela ny helokao;
sa ny hoe: Mitsangàna ka mandehana?
Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana
hamela heloka ety an-tany ny Zanak’Olona,
dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy:
Mitsangàna, ento ny fandrianao,
ary modia any an-tranonao.”

Niaraka tamin’izay
dia nitsangana teo imason’ny olona izy,
ary nitondra ny farafara nandriany
ka lasa nody any an-tranony
nankalaza an’Andriamanitra.
Nitolagaga avokoa izy rehetra
ka sady nankalaza an’Andriamanitra
no raiki-tahotra nanao hoe:

“Nahita zava-mahagaga isika androany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...