Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 7, 10-14)

Indro hanana anaka ny Virjiny.

Tamin’izany andro izany,
dia niteny tamin’i Akaza ny Tompo nanao hoe:

“Mangataha famantarana amin’ny Tompo Andriamanitrao;
mangataha izany, na any amin’ny fara lavaky ny Seoly,
na any amin’ny havoan’ny lanitra.”

Fa hoy i Akaza:

“Tsy hangataka aho;
tsy haka fanahy ny Tompo aho.”

Ka hoy i Izaia:

“Mihainoa, ry taranak’i Davida;
mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona,
no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo?
Noho izany dia ny tenan’ny Tompo
no hanome famantarana anareo:
Indro hanana anaka ny Virjiny, ka hiteraka zazalahy,
ary ny anarany hataony hoe Emanoela”,

izany hoe amintsika Andriamanitra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6

Hiditra ny Tompo, Ilay Mpanjakan’ny voninahitra.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa,
dia izao rehetra izao ary izay monina ao.
Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,
napetrany tsara eo ambonin’ny ony.

Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo;
hanorim-ponenana an-toerany masina?
Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.

Dia izy no hany hotsofina rano,
ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)

Indro hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy.

Tamin’izany andro izany,
dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely
ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea
atao hoe Nazareta,
ho any amin’ny Virjiny anankiray
fofombadin’ilay lehilahy atao hoe Jôsefa, taranak’i Davida,
ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria.
Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe:

“Arahaba, ry ilay feno hasoavana:
ny Tompo ao aminao;
nosoavina noho ny vehivavy ianao.”

Taitra izy nahare izany,
ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.
Fa hoy ny Anjely taminy:

“Aza matahotra, ry Maria,
fa sitrak’Andriamanitra ianao,
ary indro, hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy,
ary Jesoa no hataonao anarany.
Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra;
dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy,
ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.”

Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely:

“Ahoana no hahatongavan’izany,
fa tsy mahalala lahy aho?”

Fa hoy ny Anjely namaly azy:

“Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao,
ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao;
noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Ary indro i Elizabeta rahavavinao
dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza,
ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba,
fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao.”

Dia hoy i Maria:

“Inty aho ankizivavin’ny Tompo,
aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao.”

Dia niala teo aminy ny Anjely.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...