Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela 1, 24-28

Velom-pisaorana i Annà noho ny nahaterahan’i Samoela.

Tamin’izany andro izany,
nony efa notazan’i Annà, reniny, i Samoela,
dia nentiny niakatra niaraka taminy,
sady naka vantotr’ombilahy telo
sy lafarina iray efah ary divay eran’ny siny hoditra izy;
dia nentiny nankao an-tranon’ny Tompo tao Silao izy.
Mbola tanora kely ny zaza.
Dia novonoin’izy ireo ny vantotr’ombilahy iray,
ary nentiny nankao amin’i Helî ny zaza.
Ka hoy i Annà:

“Aza mahafady, tompoko.
Raha velona koa ny ainao, tompoko, dia izaho ilay vehivavy
nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin’ny Tompo.
Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko
ary neken’ny Tompo ny fangatahana nataoko taminy.
Koa inty koa aho, mahafoy azy ho an’ny Tompo;
nafoy ho an’ny Tompo izy amin’ny andro hiainany rehetra.”

Dia niankohoka teo anatrehan’ny Tompo izy ireo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Boky voalohan'i Samoela 2, 1. 4-5. 6-7. 8

Ravo amin’ny Tompo ny foko!

Endrey ny hafaliako manana ny Tompo!
Ny lohako nitanondrika mitraka.
Ka indro aho misoka-bava hiaro tena.
Mifaly aho, ry Tompo, fa voavonjinao.

Ny olo-mahery tapaka tsipîka,
ny osa kanefa miatrana aman-kery.
Ny voky nasainy miasa mikarama,
ny noana kanefa homana tsy miasa.
Ny momba nomeny zanaka amam-para,
kanefa ny maro anaka malazo.

Mamono ary koa mamelona ny Tompo:
mampidina sy mampakatra ny maty,
mampanana sy mandevona ny Tompo,
mampietry Izy fa manandratra avy hatrany.

Alàny tsy ho eo am-bovoka ny ory,
akariny avy eo am-pako ny mahantra,
ka indro nomeny toerana mpanjaka,
tolorany fiketrahana mihaja.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 46-56)

Nahefa be tamiko Ilay Mahefa.

Tamin’izany andro izany,
i Maria nisaotra ny Tompo nanao hoe:

“Mankalaza ny Tompo ny fanahiko;
ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,
fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny.
Fa indro, hatramin’izao,
dia hataon’ny taranaka rehetra hoe: sambatra aho,
satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa.
Ary masina ny Anarany,
sady amin’izay matahotra Azy
hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.
Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy;
dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony;
naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy,
fa ny ambany kosa nasandrany;
ary ny noana novokisany soa,
fa ny mpanankarena kosa, dia nampodîny nitondra tanam-polo.
Niahy an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsy hadinony ny famindram-pony
tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay,
araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”

Nitoetra tokony ho telo volana
tao amin’i Elizabeta i Maria
vao nody tany an-tranony.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...