Vakiteny voalohany

Bokin’i Malakia Mpaminany 3, 1-4. 23-24

Indro Aho haniraka an’i Elia ho anareo alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:

Indro Aho haniraka ny irako;
ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako;
dia ho tonga tampoka ao an-Tempoliny ny Tompo tadiavinareo,
ilay anjelin’ny fanekena irinareo.
Indro avy izy, hoy ny Tompon’ny tafika.
Iza no hahatanty ny andro hiaviany,
ary zovy no hahajoro, raha miseho izy?
Fa ho tahaka ny afon’ny mpandrendrika izy
sy ho sahala amin’ny pôtasin’ny mpanery lopòtra.
Hipetraka mandrendrika sy manadio ny volafotsy izy;
hanadio ny taranak’i Levï izy,
ka hanadio azy toy ny volamena sy ny volafotsy,
ka dia ho mpanompo izy ho an’ny Tompo,
hanolotra fanatitra ara-drariny aminy
ary hankasitrahin’ny Tompo toy ny tamin’ny andro taloha;
toy ny tamin’ny taona fahiny, ny fanatitr’i Jodà sy i Jerosalema.
Indro Aho haniraka an’i Elia, mpaminany, ho aminareo,
alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo,
sady lehibe no mahatahotra.
Hampody ny fon-dray ho amin’ny zanany izy,
sy ny fon-janaka ho amin’ny rainy,
fandrao ho avy Aho ka hataoko anatema ny tany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 24, 4bd-5ab. 8-9. 10 sy 14

Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy;
ny soritrao ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo;
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.

Tsara sy mahitsy ny Tompo,
ka ny mpanota toroany lalana:
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny;
ny ory ampianariny ny lalany.

Ny lalan’ny Tompo rehetra: hatsaram-po sy fahamarinana
amin’ny mpitandrina ny fanekeny sy ny fanambaràny.
Ny tsiambaratelon’ny Tompo ho an’izay matahotra Azy;
ny fanekeny manome fahalalana tokoa azy ireo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 57-66)

Ny nahaterahan’i Joany Batista.

Nony tonga ny andro hiterahan’i Elizabeta dia tera-dahy izy.
Ary nahare ny miara-monina aminy sy ny havany
fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy,
ka dia niara-nifaly taminy.
Nony afaka havaloana, dia tonga izy hamora ny zaza,
ary Zakaria, araka ny anaran-drainy
no ndeha hataony anarany.
Fa niteny reniny nanao hoe:

“Tsia, tsy izany, fa hatao hoe: Joany izy.”

Fa hoy izy ireo taminy:

“Tsy misy na dia iray aza amin’ny havanao
manana izany anarana izany.”

Ary nanao baikon’ny moana tamin’ny rainy izy ireo
nanontany izay tiany hatao anarany.
Dia nangataka fàfana izy,
ary nanoratra hoe:

“Joany no anarany”;

ka gaga daholo ny rehetra.
Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny vavany,
ary nivaha ny lelany,
dia niteny izy ka nisaotra an’Andriamanitra.
Azon’ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina,
ary niely hatraiza hatraiza
tany amin’ny tendrombohitr’i Jodea izany zava-mahatalanjona izany.
Ary izay rehetra nahare
dia nandatsaka izany tao am-pony ka nanao hoe:

“Ho inona re ity zaza ity?”

Fa nomba azy ny tanan’ny Tompo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...