Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 7, 1-5. 8b-11. 16)

Ho azo antoka mandrakizay eo anatrehan’ny Tompo ny fanjakan’i Davida.

Nony efa niorina tsara tao an-tranony i Davida mpanjaka,
sady nomen’ny Tompo fandriam-pahalemana tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy,
dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natàna mpaminany:

“Jereo ange!
izaho mitoetra an-trano sedera,
ary ny Fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!”

Ka hoy i Natàna, namaly ny mpanjaka:

“Andeha ataovy izay rehetra ao am-ponao,
fa momba anao ny Tompo”.

Ny alin’izay ihany,
dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mandehana lazao amin’ny mpanompoko,
amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompo:
Ianao ve no hanao trano hitoerako?
Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao
ho andriana amin’ny vahoakako, amin’i Israely,
ary izay nalehanao, nombako anao avokoa;
ny fahavalonao rehetra,
naringako teo anoloanao.
Ny anaranao hataoko malaza toy ny anaran’ny olo-malaza ambonin’ny tany.
Hanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely Aho,
dia hampiorina azy eo, ka honina ao aminy izy,
ary handry tsy amin’ahiahy,
fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony,
sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako.
Hanome anao fialan-janona tony,
ho afaka amin’ny fahavalonao Aho.
Ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao.
Ary ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao sy ny fanjakanao
eo anatrehako mandrakizay,
ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 88, 2-3. 4-5. 27 sy 29

Hikalo mandrakizay ny famindram-ponao aho, ry Tompo.

Ny fitiavanao, ry Tompo,
hohiraiko mandrakizay;
ny fahamarinanao
hambarako amin’ny taona rehetra.

“Vavako no niteny, hoy Ianao:
Voaorina mandrakizay ny fitiavako,
ary ny fahamarinako
voajoro ho toy ny lanitra!”

“Nanaovako fanekena ilay voafidiko;
i Davida mpanompoko, nianianako:
Ajoroko ho mandrakizay ny taranakao,
ny fiketrahanao aoriko ho lalandava!”

Ianao no Raiko, hoy izy miantso Ahy,
Vatolampy famonjena ahy sy Andriamanitro!
Ny fitiavako hotanako aminy mandrakizay,
ho azony antoka tokoa ny fanekeko.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 16, 25-27)

Nambara ary naseho ankehitriny ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay.

Ry kristianiana havana,
ho an’Ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko,
izay nitoriana an’i Jesoa Kristy
sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay,
(fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany,
araka ny didin’Andriamanitra mandrakizay,
ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana)
dia ho an’Andriamanitra,
Ilay hany hendry indrindra anie,
ny voninahitra mandrakizay mandrakizay,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Inty aho mpanompovavin’ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 26-38)

Indro hitoe-Jaza ianao, ka hiteraka Zazalahy.

Tamin’izany andro izany,
dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely
ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta
ho any amin’ny Virjiny anankiray fofom-badin’ny lehilahy atao hoe Jôsefa,
taranak’i Davida,
ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria.
Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe:

“Arahaba, ry ilay feno hasoavana;
ny Tompo ao aminao;
nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao”.

Taitra izy nahare izany,
ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.
Fa hoy ny Anjely taminy:

“Aza matahotra, ry Maria,
fa sitrak’Andriamanitra ianao,
ka hiteraka Zazalahy,
ary Jesoa no hataonao Anarany.
Ho lehibe Izy ka hatao hoe:
Zanaky ny Avo indrindra;
dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy,
ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany”.

Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely:

“Ahoana no hahatongavan’izany,
fa tsy mahalala lahy aho?”

Hoy ny Anjely namaly azy:

“Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao,
ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao;
noho izany dia hatao hoe:
Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Ary indro i Elizabeta rahavavinao
fa efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza,
ary efa mandray enina izy izao
ilay natao hoe momba,
fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao”.

Dia hoy i Maria:

“Inty aho ankizy vavin’ny Tompo,
aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao”.

Dia niala teo aminy ny Anjely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...