Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz 60, 1-6)

Miposaka eo aminao ny voninahitry ny Tompo.

Mitsangàna, ka mamirapirata, ry Jerosalema,
fa miposaka ny fahazavanao;
ary miposaka eo aminao ny fahazavan’ny Tompo.
Indro ny haizina fa manarona ny tany,
ary ny haizim-pito manarona ny firenena;
fa ny Tompo kosa no miposaka eo aminao;
ary ny voninahiny miseho eo aminao.
Mandroso eo amin’ny fahazavanao ny firenena
ary ho eo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka.
Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo,
izy rehetra mivory mankaty aminao;
ny zanakao lahy tamy avy lavitra;
ny zanakao vavy entina an-trotroana.
Hahita izany ianao amin’izay, ka ho miramirana;
hibitaka sy hiravoravo ny fonao,
fa hivantana aminao ny haren’ny ranomasina;
ary ho tonga ao aminao ny rakitry ny firenena.
Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany
mbamin-drameva avy any Madiàna sy Efah ianao;
ny any Sabà rehetra ho avy,
hitondra volamena sy emboka manitra
ary hitory fiderana ny Tompo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 71, 2. 7-8. 10-11. 12-13

Hiankohoka aminao, ry Tompo, ny firenena rehetra.

Andriamanitra ô, omeo ny fahefanao ny mpanjaka,
omeo ny fahamarinanao ity taranak’andriana:
ka ny olonao hotsarainy ara-drariny,
ny malahelonao araka ny hitsiny.

Ny rariny hamony amin’ny androny,
ny fiadanana hiroborobo mandavantaona.
Ny fifehezany dia hatramin’ny Ranomasina
ka tonga amin’ny Ranomasina; manomboka amin’ilay Ony
ka mipàka amin’ny faran’ny tany.

Ny mpanjakan’i Tarsisa sy ireo nosy
ho tonga eo aminy handoa hetra;
ny mpanjakan’i Saba sy Sèba kosa
ho avy hitondra hasina aminy;
ny mpanjaka hiankohoka avokoa,
ny firenena rehetra hanompo azy.

Izy hanafaka ny ory mitoloko
sy ny madinika tsy manan-kanampy;
ny osa, ny mahantra hotsimbininy;
ny ain’ny malahelo hovonjeny.

Vakiteny faharoa

Taratasin'i Masindahy Paoly Apôstôly ho an'ny krisitianina tany Efezy (Efez 3, 2-3a. 5-6)

Tonga iray lova sy iray tena ary miombona amin’ny fampanantenana amin’ny Jody ny Jentily.

Ry kristianina havana,
aoka ho renareo ny fanambaràna ny fahasoavan’Andriamanitra
izay nomena ahy ho anareo,
izany hoe,
ny fanambaràna nampahafantatra ahy ny zava-miafina,
izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona
tamin’ny taranaka tany aloha,
toy ny nanambaràna azy ankehitriny
tamin’ny apôstôliny masina sy ny mpaminaniny
ao amin’ny Fanahy Masina, dia izao:
Ny Jentily dia tonga iray lova sy iray tena
ary mpiombona ny fampanantenana amin’ny Jody
ao amin’i Kristy Jesoa,
noho ny ninoany ny Evanjely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 2, 1-12)

Tonga avy any Atsinanana izahay mba hitsaoka ny Mpanjaka.

Rehefa teraka tao Betilehema any Jodea i Jesoa
tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka,
dia indreo nisy Majy avy tany Atsinanana
tonga tany Jerosalema nanao hoe:

“Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka?
fa efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay,
ka nankaty mba hitsaoka Azy”.

Raha nahare izany i Herôda mpanjaka,
dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra,
ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra,
sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy,
ary nanontany azy hoe:

“Aiza no hahaterahan’i Kristy?”

Ary hoy ireo taminy:

“Ao Betilehema any Jodea,
fa izao no voasoratry ny mpaminany:

Ary ianao, ry Betilehema tanin’i Jodà,
tsy ianao no kely indrindra amin’ny renivohitr’i Jodà,
fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mpanjaka
izay hifehy an’i Israely oloko”.

Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy,
ka nohadihadîny fatratra
ny andro nisehoan’ny kintana taminy.
Ary naniraka azy ho any Betilehema izy nanao hoe:

“Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza;
ary rehefa hitanareo,
dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy”.

Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa.
Ary indro ilay kintana hitany tany Atsinanana,
fa nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza.
Faly dia faly izy nony nahita ny kintana,
ary rehefa tafiditra tao an-trano izy,
dia nahita ny Zazakely sy i Maria Reniny,
ka niankohoka nitsaoka Azy;
ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny,
dia nanolotra fanatitra ho Azy izy,
dia volamena sy emboka manitra ary mira.
Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo
tsy hiverina any amin’i Herôda,
dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 5, 5-6. 8-13)

Misy telo no manambara ety an-tany, dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra.

Ry malala,
iza àry no maharesy an’izao tontolo izao,
afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?
Dia Izy no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra,
tsy tamin’ny rano ihany,
fa tamin’ny rano sy ny ra, ary ny Fanahy no manambara,
satria ny Fanahy no fahamarinana.
Misy telo no manambara ety an-tany,
dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra;
ary mifanaraka tsara izy telo ireo.
Raha ny fanambaràn’ny olona aza raisintsika
mainka fa ny fanambaràn’Andriamanitra,
izay lehibe lavitra;
ary ny fanambaràn’Andriamanitra,
dia ny nanambaràny ny Zanany indrindra.
Koa izay mino ny Zanak’Andriamanitra
dia manana izany fanambaràna izany ao anatiny;
fa izay tsy mino kosa
dia mampandainga an’Andriamanitra
satria tsy mino ny fanambaràny ny Zanany.
Ary izany fanambaràna izany dia izao:
nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika,
ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany.
Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana;
fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa,
dia tsy manana ny fiainana.
Izaho no nanoratra izany aminareo,
dia ny mba hahafantaranareo
fa manana ny fiainana mandrakizay ianareo
izay mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ry Jerosalema, aoka ianao hiantsa,
derao Andriamanitra, ry Siôna!
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.

Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto:
mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina.

Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didy aman-tsatany ho an’i Israely!
Tsy misy olon-kafa nomeny izany:
ny satany manko nafeniny azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga Zanak’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk 1, 6b-11)

Ianao no malalako indrindra, Ianao no ankasitrahiko.

Tamin’izany andro izany,
nitory teny i Joany Batista, ka nilaza hoe:

“Avy aoriako Ilay mahery noho Izaho,
ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehinkapany akory aho.
Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano,
fa Izy kosa hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina.”

Ary tamin’izany andro izany,
dia tonga avy any Nazareta, tanànan’i Galilea i Jesoa,
ka nataon’i Joany batemy tao Jordany.
Raha vao niala avy tao anaty rano Izy,
dia nahita ny lanitra nisokatra,
sy ny Fanahy Masina nidina tahaka ny voromailala,
nankeo amboniny,
ary nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe:

“Ianao no Zanako malalako,
Ianao no ankasitrahako.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 3, 11-21)

Niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika, satria tia rahalahy.

Ry malala,
araka ny teny azo sy renareo hatramin’ny voalohany
dia tsy maintsy mifankatia isika,
fa tsy mba hanahaka an’i Kaina
izay avy amin’ilay ratsy
ka namono nahafaty ny rahalahiny.
Ary ahoana moa no namonoany azy?
— Dia satria ratsy ny asany,
fa ny an’ny rahalahiny kosa dia marina.
Aza gaga, ry rahalahy,
raha halan’izao tontolo izao ianareo.
Isika dia mahalala fa niala tamin’ny fahafatesana
ho amin’ny fiainana, satria tia rahalahy.
Izay tsy tia kosa
mitoetra ao amin’ny fahafatesana.
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny,
dia mpamono olona,
ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona
manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Izao no nahafantarantsika ny Fitiavana:
nahafoy ny Ainy ho antsika Izy.
Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika
ho an’ny rahalahy koa isika.
Raha misy manankarena amin’izao fiainana izao,
ka mahita ny rahalahiny mahantra,
nefa mihirim-belona aminy,
ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?
Anaka,
aza tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny,
fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa.
Izany no hahafantarantsika
fa avy amin’ny marina isika,
sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika
eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa raha ny fontsika aza
manameloka antsika,
mainka fa Andriamanitra,
izay lehibe noho ny fontsika,
sady mahalala ny zavatra rehetra.
Ry malala,
raha tsy manameloka antsika ny fontsika,
dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 99, 2. 3. 4. 5

Hobio ny Tompo, ry tany tontolo.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy, mihira miravo!

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
fa Azy isika satria nohariany.
Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.

Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo.
Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fahiny tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany, fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 43-51)

Ianao no Zanak’Andrimanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia niroso nankany Galilea,
ary nifanena tamin’i Filipo Izy
ka nanao taminy hoe:

“Manaraha Ahy.”

Avy ao Betsaïda,
tanàna niavian’i Andre sy i Piera ihany koa i Filipo.
I Filipo kosa nifanena tamin’i Natanaely
ka nanao taminy hoe:

“Efa hitanay ilay voalazan’i Môizy
tao amin’ny Lalàna sy nambaran’ny mpaminany,
dia i Jesoa zanak’i Jôsefa avy any Nazareta.”

Ka hoy i Natanaely taminy:

“Moa mba mety hisy zava-tsoa va
avy any Nazareta?”

Dia hoy i Filipo taminy:

“Avia, ary zahao.”

Nony nahita an’i Natanaely
tamy nanatona Azy i Jesoa,
dia nilaza azy hoe:

“Io no tena Israelita tokoa,
izay tsy misy fitaka.”

Ka hoy i Natanaely taminy:

“Ahoana no nahalalanao ahy?”

Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:

“Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao,
dia hitako tao ambanin’ny aviavy ianao.”

Dia namaly Azy i Natanaely ka nanao hoe:

“Raby ô,
Ianao no Zanak’Andriamanitra,
Ianao no Mpanjakan’i Israely.”

Ary hoy i Jesoa taminy.

“Mino ianao satria nilazako
fa hitako tao amin’ny ambanin’ny aviavy ianao;
mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao.”

Dia hoy koa Izy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa hahita ny lanitra misokatra
sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina
ao ambonin’ny Zanak’Olona ianareo.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 3, 7-10)

Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota; satria naterak’Andriamanitra izy ka tsy mahazo manota.

Anaka,
aza mety hofitahin’olona ianareo,
fa izay manao ny marina ihany no marina
toa Azy marina koa.
Izay manota dia avy amin’ny demony,
fa mpanota hatrany am-boalohany ny demony.
Ary ny handrava ny asan’ny demony
no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra.
Izay rehetra naterak’Andriamanitra
dia tsy manota,
satria mitoetra ao aminy ny voa nafafin’Andriamanitra,
sady naterak’Andriamanitra izy
ka tsy mahazo manota.
Amin’izany no ahafantarana
izay zanak’Andriamanitra
sy izay zanaky ny demony.
Izay rehetra tsy manao ny marina
dia tsy avy amin’Andriamanitra,
toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 97, 1. 7-8. 9

Zahao, ry vazan-tany rehetra ny vonjin’Andriamanitra.

Ihirao antsa vao ny Tompo
fa mahagaga ny zava-bitany,
fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny.

Aoka hidoboka anie ny rano,
ny ranomasina sy ny mponiny!
Ka hitehaka anie ny ony ;
hitotorebika koa ny vohitra!

Mba hitsena ny Tompo tamy
hitsara ny olona tsy an-kanavaka:
ary hitsara ny firenena
am-pahamarinana sy ara-drariny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe..

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 35-42)

Efa hitanay ny Mesia.

Taorian’ny batemin’i Jesoa,
dia mbola teo koa i Joany Batista
sy mpianany roa lahy;
ka hoy izy nahatazana an’i Jesoa nandalo:

“Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra.”

Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo,
dia nanaraka an’i Jesoa.
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy,
dia nanao taminy hoe:

“Inona no tadiavinareo?”

Ary hoy izy ireo taminy:

“Raby,
(izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika)
aiza Ianao no mitoetra?”

Dia hoy Izy taminy:

“Avia fa ho hitanareo.”

Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany,
sy nitoetra teo aminy tamin’iny andro iny;
ary tokony ho tamin’ny ora fahafolo tamin’izay.

I Andre, rahalahin’i Simôna Piera,
no anankiray tamin’izy roa lahy
izay nandre ny tenin’i Joany
ka nanaraka an’i Jesoa.
Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa
dia i Simôna rahalahiny, ka nilazany hoe:

“Efa hitanay ny Mesia”
(izany hoe i Kristy raha adika).

Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy,
ka nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe:

“Ianao no Simôna, zanak’i Joany;
hatao hoe Sefasy ianao”, izany hoe, Piera.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...