Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 8, 23b — 9, 3

Nahita hazavan-dehibe ny vahoaka, tany Galilean’ny Jentily.

Toy ny nanotofan’ny andro taloha
fahafahambaraka ny tany Zabolôna sy ny tany Neftali
no hamenoan’ny andro farany voninahitra,
ny lalan’ny ranomasina, ny tany an-dafin’i Jordany,
ary ny faritanin’ny firenena.
Ny vahoaka nandeha tamin’ny haizim-pito,
nahita mazava lehibe;
ary ireo nonina tamin’ny tany aloky ny fahafatesana,
namirapiratan’ny mazava.
Nampitombo ny vahoakanao ianao,
ary nataonao lehibe ny hafaliana;
ka mifaly eo anatrehanao,
toy ny fifaliana raha fararano izy,
toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.
Satria ny jioga nanavesatra azy,
ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny tehin’ny mpitoraka azy, dia samy notapahinao,
toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 26, 1. 4. 13-14

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko.

Ny Tompo faniloko sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?

Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
hany ataoko aminao, ô ry Tompo:
ny honina ao an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako.

Matoky aho fa ny hasoan’ny Tompo
ho hitako any amin’ny tanin’ny velona.
Mahandrasa ny Tompo, marisiha;
mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty 1, 10-13. 17

Aoka hiray teny daholo ianareo, ka tsy hisy fisarahana ao aminareo.

Ry kristianina havana,
mihanta aminareo
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika aho,
mba hiray teny daholo ianareo,
ka tsy hisy fisarahana eo aminareo,
fa ho tafakambana tsara amimpiraisan-tsaina
sy hevitra avokoa ianareo.
Reko tamin-dry i Klôe anie ny aminareo e,
fa hoe misy fifandirana ao aminareo;
izany hoe, ny sasany aminareo manao hoe:

“Izaho an’i Paoly”;

ny sasany kosa manao hoe:

“Izaho an’i Apôlô”,

na:

“Izaho an’i Sefasy”.

Voazarazara va i Kristy?
Ary i Paoly va no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana ho anareo?
Sa tamin’ny anaran’i Paoly no natao Batemy ianareo?
Tsy ny hanao Batemy no nanirahan’i Kristy ahy,
fa ny hitory ny Evanjely.
Tsy tamin’ny lahateny kanto anefa,
fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 12-23

Tonga tao Kafarnaôma Izy mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia mpaminany.

Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany,
dia lasa Izy nankany Galilea;
ka nony niala tao Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma,
tanàna amoron-dranomasina
ao amin’ny sisintanin’i Zabolôna sy Neftalî
ka nonina tao,
mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe:

Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalî,
ny lalana ao amoron-dranomasina,
any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily;
ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina
dia nahita fahazavana lehibe,
ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana
no niposahan’ny mazava.

Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa
ka nanao hoe:

“Mibebaha ianareo,
fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra”.

Ary raha nitsangantsangana
teny amoron’ny ranomasin’i Galilea i Jesoa,
dia nahita olona mirahalahy,
dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy Andre rahalahiny,
nanarato tao amin’ny ranomasina,
fa mpanarato izy ireo.
Dia hoy Izy taminy:

“Avia hanaraka Ahy,
fa hataoko mpanarato olona ianareo”.

Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.
Dia mbola nandroso ihany Izy,
ka nahita olona mirahalahy hafa koa,
dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny
izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy,
nanamboatra ny haratony;
ary nantsoiny izy mirahalahy.
Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo
ka nanaraka Azy.
Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo,
nampianatra tao amin’ny sinagôgan’ny olona,
sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 12-17

Tonga tao Kafarnaôma Izy mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia mpaminany.

Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany,
dia lasa Izy nankany Galilea;
ka nony niala tao Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma,
tanàna amoron-dranomasina
ao amin’ny sisintanin’i Zabolôna sy Neftalî
ka nonina tao,
mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe:

Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalî,
ny lalana ao amoron-dranomasina,
any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily;
ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina
dia nahita fahazavana lehibe,
ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana
no niposahan’ny mazava.

Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa
ka nanao hoe:

“Mibebaha ianareo,
fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra”.

 

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...